Mitatra ao Toamasina II amin’ny kaominin’i Toamasina suburbaine indray izao ireo andian-jiolahy mpandeha andiany am-polony mpitondra basy kalaky ankehitriny, raha nangingina izany tato ho ato teto Toamasina renivohitra taorian’ny raharaha fakana an-keriny teratany Karana Frantsay nandoavam-bola be farany teo. Ny alin’ny alarobia 07 martsa nifoha ny alakamisy 08 martsa teo dia andian-jiolahy 12 nirongo kalaky no tonga nanafika magazay iray misy ny tranon’ireto mpandraharaha teratany sinoa monina ao Ampilaolava Toamasina suburbain amin’ny lalam-pirenena faha-05. Tsy nisy tahotra izy 12 lahy fa avy hatrany dia niditra na misy mpiambina aza ilay trano ka avy hatrany dia nitaky ny vola tao amin’ireto mpandraharaha ireto, tsy fantatra ny lasan’izy ireo nandritra izany. Nandritra izay anefa, entina hampitahorana ireto fianakaviana Sinoa mpandraharaha ireto, dia nitifitra ireto andian-jiolahy 12 nirongo kalaky ka teratany sinoa roa no voa tamin’izany. Ny iray voatifitra teo amin’ny tratrany nivoaka an-damosina, ny faharoa kosa teo amin’ny tongony raha nikasa ny hitsoaka. Vao lasa nitondra ny zavatra notadiaviny ireto andian-jiolahy 12 nirongo kalaky ireto dia ny fitondrana ireto naratra teny amin’ny hopitaly be no nataon’ireo fianakaviany sy ireo mpiambina tao aminy. Nanao ny ezaka rehetra nanavotana ny ain’ilay voatifitra teo amin’ny tratrany ny mpitsabo nefa ho fanavotana ny ainy dia voatery nalefa ao Antananarivo ny tenany tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana. Avy hatrany dia niatrika ny fandidiana azy ity teratany sonia ity nefa mbola ahiana ny ainy noho ny fahavoazana mafy nahazo azy. Ilay voatifitra teo amin’ny tongony kosa dia vitan’ireo mpitsabo eto Toamasina ihany ny fitsaboana azy ary efa tsy maninona . Amin’ny maha-fanafihana nitranga tao Toamasiana II azy dia ny sampana misahana ny heloka be vava ny zandary no misahana ny raharaha. Hatreto aloha dia tsy misy mbola hita ireto andian-jiolahy nirongo basy kalaky nanafika ireto.
Malala Didier