- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina suburbaine : Ambadika politika avo lenta ny fampiatoana ny ben’ny tanàna

Toamasina suburbaine : Ambadika politika avo lenta ny fampiatoana ny ben’ny tanàna

Mazava ny raharaha amin’izao satria araka ny fanadihadiana natao momba ny fampiatoana ny ben’ny tanàna tao Toamasina suburbaine, nataon’ny mpanolotsaina dimy amin’ny fito ao an-toerana. Nialoha izay dia raikitra ny ady teo amin’ny ben’ny tanàna Barison Charles sy ny lefitra faharoany teo aloha Razafindraibe Judicael, nefa mba hirosoan’ny fampandrosoana ny kaominina manoloana ireo tetikasa maro toy ny tetikasa Rindra tohanan’ny PNUD, dia voatery nandray fanampahan-kevitra nanesotra ity lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna ity ny ben’ny tanàna. Vokatr’izany dia ny talata 27 jona no nivory indray ireo mpanolotsaina ka nanapan-kevitra indray nampiato ny ben’ny tanàna ary efa tonga eny amin’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina II izany fanapahan-kevitra izany. Raha ny fanazavana azo dia misy fifandraisana amin’izao fampiatoana ny ben’ny tanàna ao Toamasina suburbaine izao ny mpiasan’ny ministeran’ny atitany teo aloha mipetraka sy monina eto Toamasina. Nihodina ny vola tamin’ny fanonganana ny ben’ny tanàna izao, satria ny tanjona ho an’ireo mpiray tendro dia ny mba hahazoana tany ao Toamasina II ao, sy hiandrandrana ilay vola tamberimbidy avy amin’Ambatovy, izay tokony ho azon’ny kaominina. Tsy manaiky izao savorovoro izao ireo mponina ao Toamasina suburbaine ka niantso mpanao gazety nilazany ny zava-misy iainan’ny kaominin’izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici