Raha ny zava-misy eny an-tsena dia efa tafakatra ho 2.400 ariary ny kialon’ny vary makalioka eny an-tsena ankehitriny eto Toamasina, ireo vary nafarana ao anatin’izany dia manodidina ny 1.900 ariary hatramin’ny 2.100 ariary arakaraka ny hatsarany sy ny firenena fiaviany. Noho io fidangan’ny vidim-bary tsy mifanaraka amin’ny vidiny nividianana azy tany ivelany sy ny hetra alain’ny fanjakana amin’ny fampidirana azy ireny ary ny fahabetsahan’ny fahatongavany eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia nikasa ny hanao fidinana ifotony hijery ireo magazain’ireo mpandraharaha mpanafatra vary sy mpamongady vary teto Toamasina ny prefe Benandrasana Cyrille ny talata tolakandro teo. Voahomana hiara-hitsirika ireo magazay ireo tamin’izany ny talen’ny varotra sy ny fanjifana atsinanana Rtoa Lambo Nadia ; saingy hagagana ny an’ny prefen’i Toamasina fa raha fitsirihana tampoka no saika hatao hamantarana ny tena zava-misy marina, dia tapitra nantsoin’iyy talem-paritra ity an-tarobia avokoa ireo mpandraharaha vary ka saika nanjavona tampoka sy nanakatona magazay avokoa noho izany ; teo koa ny fahatarana tamin’ny fahatonvany satria raha tamin’ny 03ora ny fotoana nefa 45min taorian’izay vao tonga ity talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana atsinanana ity. Midika izany hoy ity solon-tenam-panjakana eto Toamasina ity, fa misy firaisana tsikombakomba avo lenta eo amin’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana, sy ireo mpandraharaha sy mpanafatra vary eto Toamasina, ka izao lasa miteraka olana amin’ny fidangan’ny fidim-bary izao.
Malala Didier