Raha noharina ny tamin’ny taona nivalona iny, dia isany nilamina raha ny resaka loza ny tamin’ity Krismasy 2015 ity. Taksibrosin’ny kaoperativa Jiaby manao zotra Antananarivo – Toamasina, no nivadika tao Beforona, ny alin’ny 24 desambra teo. Vokany ankizivavy 13 taona no maty tsy tra-drano nandritra izany, raha naratra kosa ireo mpandeha ambiny, ka ny efatra no tena voa mafy izay voatery nampidirina hopitaly tao Toamasina ny roa tamin’izy ireo. Raha ny voalaza, dia resaka fahajambenana vokatry ny jiron’ny fiara nifanena, nampian’ny torimason’ny mpamily no nahatonga ny lozam-pifamoivoizana tao Beforona ity. Ankilan’izany, dia 68 ireo noraisin’ny sampana mpamonjy voinan’ny hopitaly ben’i Toamasina ny 24 desambra teo, ka ny 36 tamin’izany voatery naiditra hopitaly, raha nahatratra fito ny ratra goavana vokatry ny ady nateraky ny hamamoana, fito ihany koa ny lozam-pifamoivoizana nitranga, ka isan’izany ilay tao Beforona sy ilay niseho teo anoloan’ny fiangonana Manareza Vavahady nandonan’ity tovolahy iray tamin’ny “moto bol d’or” ny zazavavy valo taona ka tapaka hatramin’ny feny. Ankoatra izay, dia folo ireo teraka ny ny 24 desambra teo, fito ireo teraka ny alina kosa, ka enina zazavavy, telo kosa zazalahy. Nisy kambana tamin’izy ireo fa ny iray maty am-bohoka raha avotra kosa ilay zazavavy kely niaraka taminy.
Malala Didier