- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Talen’ny « orange » voatafika

Toamasina : Talen’ny « orange » voatafika

Ny marainan’ny alarobia tamin’ny 2 ora, notafihan’ny sasany ny talen’ny « Orange » tany Toamasina tao Andranomadio. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nitondra basy ireo jiolahy ary niditra an-keriny tao amin’ilay trano. Raha vao nahita ny fitaovam-piadiana ny tompon’ny trano dia tsy nisy sahy nihetsika fa nitazana fotsiny izay nataon’ireo olon-dratsy. Lasan-dry zalahy tamin’izany ny entana sarobidy toy ny ordinatera avo lenta miisa roa sy telefonina anisan’ny sarobidy. Tsy vitan’izany fa nisy antontan-taratasy koa nalain’ireo mpangalatra. Very tamin’io alina io ihany koa ny pasipaoroan’ilay tale sy tapakila fividianana lasantsy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser