- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireToamasina : Talen’ny polisy voaroba, lasa ny basy

Toamasina : Talen’ny polisy voaroba, lasa ny basy

Renivohitra ekonomika sa renivohitry ny mpanafika? (sary tahiry)
Renivohitra ekonomika sa renivohitry ny mpanafika? (sary tahiry)

Magazay iray mpivarotra kojakoja elektronika sy kojakoja momba ny fiara no nataon’ny telo lahy mitam-basy lasibatra. Ny talata teo, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina, dia isan’ireo mpividy tao anatin’io toerana io ny talem-paritry ny polisy any Toamasina. Tsy nitondra mpiambina izy satria toy ny olon-drehetra mba hividy zavatra amin’ny noely ihany, ary ao an-drenivohitr’i Toamasina ihany rahateo no misy an’Anjoma. Tsitapitapitr’izay anefa no niditra tao ireo telo lahy manao saron-tava ary nanambana basy ireo mpividy miisa dimy – tamin’io fotoana io – avy hatrany. Norobaina izay rehetra tany amin’izy ireo. Lasa ny vola, torak’izany ihany koa ny vola tao anaty “caisse” an’ilay toeram-pivarotana. Isan’ny voaroba ny sakaosy an’ny talem-paritra, izay raha araka ny fantatra dia nisy vola sy basy. Raha ny vaovao azo dia manodidina ny 10 tapitrisa ariary teo no lasa tao amin’ilay toeram-pivarotana. Nisy tamin’ireo mpividy no very 3 tapitrisa ariary nandritra ny fandrobana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana voalohany dia fantatra fa olona avy any Fenerive-est, nitondra fiara 4X4 ka hividy entana maro tao Toamasina no tena lasibatra. Efa tafiditra tao anaty toeram-pivarotana izy ka ny saoferany nijanona tao anaty fiara no voaambana basy. Nentina an-keriny niditra tao amin’ny magazay io farany. Noterena ihany koa nanome ny lakilen’ny fiara saingy tsy tany aminy izany fa tany amin’ny mpampiasa azy. Mandeha ny fanadihadiana ankehitriny

JC Steve/D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser