Tratran’ny tsy nampoizina ireto roa lahy isan’ny ao anatina tambajotran’andian-jiolahy mpitaingina moto scooter, nampitondra faisana ireo tranombarotra sy ireo mpivarotra ary ireo heverin’izy ireo fa manam- bola samy hafa, dia Ingahy Patrice Sylvain sy Sampy Stephan, sarona tao Depot Analakininina. Raha ny fanazavana azo dia isan’ny mpiray dia amin’Ingahy Milamaro izy ireto. Ity farany dia efa tratran’ny polisy ny taona lasa ary efa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy. Taorian’ny fahazoan’ny polisy vaovao mantsy dia efa namoahana fikarohana manokana ireto roa lahy tratra tao Depot Analakininina ireto, izay niaraka tamin’ny namany iray, saingy ity farany tamin’ny fisamborana nataon’ny polisy dia afa-nitsoaka, na efa nisy aza ny fifampitifirana teo aminy sy ny polisy ny alarobia alina teo. Ny fanazavana hatrany no nahafantarana fa ireto roa lahy tratra ireto no nitifitra ilay tovolahy iray tao Tanambao V manakaiky ny “cite Immobiliaire” raha namonjy fodiana ny alakamisy 29 desambra lasa teo, saingy tsy maty, ka nahavery ny vola iray tapitrisa ariary, satria mpivarotra fahana sy mpanao “banking-mobile” izy ity. Mbola izy ireo ihany koa no voalaza fa nanafika ilay mpamongady ranom-boakazo tao amin’ny gare routiere;…ary ilay mpivarotra mpamongady iray tao Mangarivotra ihany koa. Ankilan’izany, na mbola ao anatin’ny fanadihadiana aza ny polisy mikasika azy roa lahy ireto, dia efa misy sahady ireo andian’olona mitady fanelanelanana amin’ny hamoahana azy roa lahy ireto. Mitohy kosa, raha ny fanazavana azo hatrany, ny fikarohana ilay fahatelo tafatsoaka niaraka tamin’izy roa lahy tratra ireto, satria heverina fa ity tovolahy tafaporitsaka ity no isan’ny mihazona ilay basy PA faharoa fampiasan’ireto andian-jiolahy ireto. Efa sarona kosa ilay basy PA tany amin’Ingahy Milamaro…
Malala Didier