Ity tranga niseho teto Toamasina ity no tonga amin’ny fitenin’ny olona hoe “manandevo ny vola raha tompoina be loatra”, satria amin’ny fitiavana te-hanam-bola be loatra, dia efa mivarotra olona ny sasany, ka ireo zaza, indrindra ireo vavikely no tena lasibatra amin’izany. Tamin’ny fiandohan’ity volana martsa ity dia naharay loharanom-baovao tamina olona tsara sitrapo avy any Andilamena ; izay naharay someso fa mitady mpividy zaza ny mpandefa izany, ka manodidina ny 3 taona hatramin’ny 16 taona ka ny zazavavy no tena tadiaviany. Hatramin’ny naharaisan’ny polisy misahana ny heloka bevava sy ny zaza tsy ampy taona eto Toamasina, tarihin’ny Kaomisera Raelison Gerverain, ny vaovao fisian’ity mpivarotra sy mpangalatra zaza eto Toamasina ity, dia nandeha ny fikarohana sy ny vela-pandrika. Nisy ny vokatra azon’izy ireo ny sabotsy 3 martsa teo, satria saron’ireto polisy misahana ny heloka bevava sy ny zaza tsy ampy taona tao Androranga sy Bazary be Toamasina ireto olona enina mianadahy izay roa ny vehivavy ao anatin’izao tamban-jotra mpangalatra sy mpivarotra zaza izao. Araka ny fanazavana nomen’ny Kaomisera Raelison Gerverain izay niantso mpanao gazety tao amin’ny biraony, dia amidin’ireto olona ireto 3 hatramin’ny 10 tapitrisa ariary ny zaza iray, ka arakaraka ny taona sy amin’ny maha-vavy na maha-lahy ny halafony. Ny fanazavana ihany no nahalalana, fa tsy mitazona zaza ireto andian’olona ireto, rehefa misy mpividy izy ireo vao mitady zaza angalarina na vidina izay amidin’izy ireo aorian’izay. Voalaza ihany koa, fa tsy miditra lalina amin’izay anaovan’ireo mpividy ny zaza amidin’izy ireo izy ireto mandritra izany, fa raha azo ny vola dia samy miala ny mpividy sy ny mpivarotra ao anatin’ny raharaha. Heloka bevava izao tratra izao hoy ny Kaomiresa Raelison na heverina aza fa mbola fikasana ny raharaha manenjika azy enina mianadahy, satria tsy nahatrarana zaza tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana. Tsy naharay fitarainana na fitoriana zaza very ihany koa ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona hatramin’izao. Omaly tolakandro no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana izy enina mianadahy, ka nahazo didy mamonja azy ireo vonjimaika avokoa.
Malala Didier