- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tatsambo iray maty notrobarana tavaoahangy vaky teo amin’ny tendany

Toamasina : Tatsambo iray maty notrobarana tavaoahangy vaky teo amin’ny tendany

Nivadika vono olona nahatsiravina ny revy nataon’ireo mpinamana roa lahy sy ity tovolahy iray tatsambo tonga an-tanety vao tsy ela izay. Tao amin’ny trano fisotroana iray tao Ankirihiry no nitrangan’ny fifamonoana teo amin’izy ireo noho resaka “sipa” niadiana. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo nahita ny tranga ny alakamisy alina tokony tamin’ny 10 ora tao amin’ity trano fisotroana ity, dia samy nampiresaka ity tovovavin’ny alina ity ireo samy mpirevy ireto, samy nampiseho ny fananam-bolany tamin’ny fanobahana revy ihany koa, hanababoana ilay tovovavy. Nandritra izay anefa no raikitra ny fifamaliana teo amin’ny andaniny roa mpifaninana, raikitra ihany koa ny teny mahery sy ny fifampidedahana. Ela ny ela nivadika ho ady mivantana ilay fifamaliana, ka teo no nandray tavoahangy ireto roa lahy mpinamana dia nidaroka ity tovolahy tatsambo. Novakian’izy roa lahy ilay tavoahangy avy eo ka natsindron’ny iray ny tendan’ilay tovolahy niady taminy, ary nahavoa teo amin’ny faritra anoloana, izay nahatapaka ny lalan-drivotr’ity tovolahy tantsambo. Vokatr’izay maty tsy tra-drano teo ity tovolahy ity, ary nitsoaka izy roa lahy raha vao nahita izany. Haingana anefa ny fampandrenesana nataon’ny tompon’ny trano fosotroana ny mpitandro ny filaminana, tonga ireo polisy mpanao fisafoana amin’ny alina. Nanomboka avy hatrany ny fikarohana azy roa lahy namono olona ireto, ka tokony tamin’ny 11ora, ny alakamisy alina io ihany, dia tratra tao Ankirihiry ihany izy ireo. Efa mandalo fanadihadiana eo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava izy ireo nanomboka omaly. Ho hita eo ny ho tohiny satria nitory azy ireo ho namono olona ny fianakavian’ity tovolahy tatsambo ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici