- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Telo mianaka maty voatifitra

Toamasina : Telo mianaka maty voatifitra

Raim-pianakaviana roa samihafa izay mpirahalahy sady mpifanolobodirindrina ihany koa no maty notifirin’ny jiolahy. Tsy alim-be akory fa tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany ireo olon-dratsy no tonga tao amin’ny tokantrano tao amin’ny fokontany Androranga-Toamasina. Mbola teo am-pijerena fahitalavitra, tao amin’ny « salon », i Santalahy Gilbert, no notifirina teo amin’ny tongony, rehefa tafiditra  tao an-trano ny jiolahy roa mitam-basy. Ny roa hafa kosa niandry tany ivelany. Notenenina izy fa tsy maintsy maty androany. Dia tena notanterahin’ireo jiolahy tokoa. Notifirina ny lohany sy ny vatany. Bala enina no hita tamin’ny vatany. Naheno ny feom-basy ny zanany vavy izay mbola teo am-panaovana ny enti-mody dia nivoaka nijery. Notifir’ireo koa, saingy mba tafatsoaka. Tsy nijanona teo ilay heloka bevava. Satria mpifanolobodirindrina amin’ilay rangahy ny rahalahiny ka naheno ny poa-basy, dia nivoaka koa nijery. Kinanjo basy avy hatrany no nitsena azy. Maty tsy tsa-drano koa io farany izay antsoina hoe Justin Gilbert. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana hatrany dia tsy nisy na inona na inona akory nalain’ireo mpamono olona tamin’io fotoana io. Ny ain’ireo olona fotsiny izany no nofofoina. Raha ny fantatra dia omaly alarobia no nisy olona roa nosamborina, teo amin’ny manodidina teo ihany. Ahian’ny mpitandro ny filaminana ho isan’ireo niray petsapetsa tamin’ny fanafihana izy ireo. Mbola mahakasika heloka bevava hatrany, fantatra koa fa nisy sinoa iray maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ambolomandinka ny talata lasa teo. Mpandraharaha izy io. Telo lahy nitaingina scooter no nitifitra azy ary naka ny “collier” volamena niravahany. Noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany saingy tsy tàna ny ainy. Mihorohoro i Toamasina taorian’ity vonoan’olona nisesy ity. Tsy ho tohitry ny olon-tsotra mihitsy izany jiolahy mitondra kalachnikov sy pistolet automatique izany. Raha ny fitantaran’ny manodidina aza dia nandeha tsotra, tsy nihazakazaka akory ireo jiolahy, izay sady tsy misaron-tava na kely aza, rehefa niala tetsy Androranga, avy nitifitra nahafaty olona roa. Nitazam-potsiny ny olona noho ny tahotra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser