- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Telo mianaka nisy namono, hita faty tao an-tranony, efa...

Toamasina : Telo mianaka nisy namono, hita faty tao an-tranony, efa lo

Maty nisy namono tao an-tranony tao Depôt 4ème Toamasina ireto telo mianaka :Atoa Perez rancisco 64 taona avy any Guadeloupe  sy Rtoa vadiny Soa Monica 48 taona, ary ny zanak’izy ireo 07 taona ; izay zaza natsangany mpianatra ao amin’ny lycée français Toamasina.

Raha ny zava-nisy, nahita azy telo mianaka ireto dia taorian’ny 08 may teo no nisy namono izy ireo, satria raha ny fanazavana azo dia mbola nianatra ity zaza ity ny alarobia 08 may io, fa ny alakamisy 09 may izy vao nanomboka tsy tonga nianatra intsony; ka tombanana ho ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy io no nitrangan’ny famonoana azy telo mianaka ireo tao an-tranony. Ny fanazavana azo, dia ny fofona maimbo teo an-tanana tao Depôt 4ème no nanaitra ny mponina ny alatsinainy 13 may teo, ka raha narahana ny fiaviany dia niainga tao amin’ity trano iray ity ilay fofona.

Nihidy tao anatiny anefa ny trano ka voatery novakian’ny fokonolona tao an-tanana nijerena ny zava-nisy. Trano nikorontana sy telo mianaka efa maty manomboka  ho simba, tao amin’ny efitrano fidiovana no hitan’ny fokonolona. Voatery niantso mpitandro ny filaminana ny filoham-pokontany nijery ny zava-nisy sy nanao fanadihadiana. Teo no nahalalana, fa nisy jiolahy niditra tao amin’izy ireo ary namono azy telo mianaka alohany nitadiavan’izy ireo ny nilainy tamin’ireto fianakaviana ireto. Nohidin’ireo jiolahy tany anatiny ny trano, ka teny an-tafontrano ireo jiolahy no nitsoaka taorian’izany.

Ankilan’izany, dia mikasa ny hanao mariazy ny volana desambra izao ity teratany vahiny sy ity teratany Malagasy ity, saingy alohan’izay dia nikasa ny hody kely hamonjy ny fianakaviany ilay rangahy ny 20 may ho avy izao. Vao iray volana teo kosa izay no nifindran’izy ireo tao amin’ny fokontany Depôt 4ème ity, raha ny taona 2010 no efa nifankalala i Francisco Perez sy Soa Monica. Ankoatra izany raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka be vava misahana ny raharaha, dia efa misy olona efa-dahy nosamborina tamin’izao raharaha izao, ny alatsinainy 13 may alina teo ihany hanaovana fanadihadiana noho izy ireo ahiana tamin’ity vono olona ity.

Tena miantso vonjy amin’ny tsy filaminana ny vahoakan’i Toamasina, satria raha tsy iharan’ny vaky trano arahina vono olona, dia miaina ny fanafihana mitam-piadiana sy asa fanendahana ary halatra môtô saika isan’andro.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici