Nifanilihan’ny mpamonjy voina ny seranan-tsambo sy ny mpamonjy voina ny kaominina, ny momba ity fatin’olona izay ambaran’ny mpitandro ny filaminana fa fatina teratany vahiny, natsingevan-dranomasina tao Canada mifanakaiky amin’ny vavahadin’ny seranan-tsambo fidirana kamiao. Ny mpamonjy voina ny seranan-tsambo miala ilany, fa tsy ao anatin’ny toerana iadidiany no misy ilay faty ka tsy afaka ny hisahana izany izy ireo. Ny mpamonjy voinan’ny kaominina kosa milaza fa tsy manana fitaovana entina manao ny fakana ilay faty izy ireo ka tsy afa-mihetsika. Vokany, sabotsy tontolo dia mbola natsingevan-dranomasina nikapokapoka noho ny onja amin’ireo kiraom-bato ilay fatina teratany vahiny ity. Miboridana ilay faty tamin’ny fotoana nahitana azy, raha ny fijeren’ny polisy siantifika ny faty, dia nisy namono ity teratany vahiny tsy fantatra ity vao nisy nanipy tan-dranomasina, raha ny zava-misy mantsy dia mangana ny tratrany, misy fahatapahana ny tanany, ary misy ratra ny vatany, ny filahiany efa lanin‘ny trondro sy ny foza nandritra ny filonany tao an-dranomasina tao anatin’izay fotoana tsy nahitana azy izay. Tsy fantatra ny tena nitrangany fa ny onja no nitondra azy teny Canada manakaiky ny vavahidin’ny seranan-tsambo fidirana kamiao. Misy ifandraisany tamina filazana teratany vahiny very teny avara-tanànan’i Toamasina ve ity teratany vahiny maty ity, satria taty atsimon‘ny Tanànan’i Toamasina no nahitana ity faty na teratany vahiny tsy fantatra maty niboridana ity. Efa eo am-pelan-tanan’ny polisy misahana ny heloka be vava ny raharaha amin’izao fotoana izao.
Malala Didier