Hatairana ny an’ireto fianakaviana tao amina tokantrano iray tao Tanamborizano, Toamasina, ny marainan’ny zoma teo. Mpitandro filaminana manodidina ny 20 teo, misaron-tava no nanao sarika am-pandriana an’ireo tompon-trano, ary nilaza fa tonga hisava ity tokantrano ity. Ny nahagaga ny rehetra anefa dia tsy nampiseho taratasy filazana izany velively ireto mpitandro filaminana ireto, rehefa nitaky ny tompon-trano. Nilaza fotsiny izy ireo, fa hanao ny asany aloha fa ilay « mandat » dia avy amin’ny Tonia mpampanoa lalàna ary ho hitan’izy ireo miandalana eo ihany. Rehefa nikaroka izay tadiaviny anefa izy ireo, dia tsy nahita n’inona n’inona. Ary niroso indray tamin’ny fisavana ny antontan-taratasin’ireo kodiaran-droa sy kodiaran-telo na Tuc tuc, tao amin’ity trano ity. Ara-dalàna ny an’ireo môtô, saingy ny an’ilay « tuc tuc » no nisy tsy fitoviana teo amin’ny laharan’ny môtera. Teo noho no teo ihany dia norohizana sy nentina tany amin’ny birao nanaovana « enquête » ilay tompon-trano, narahina sy nambenana mafy. Naharitra iray andro maninjitra ny famotorana. Farany dia hita fa ara-dalàna ny taratasy, saingy efa nasiam-panovana fotsiny ny môtera. Nalefa nody ilay lehilahy araka izany nony avy teo. Nahagaga ny maro ihany ilay zava-nitranga, raha toa ka resaka taratasina kodiaran-telo, no nahatongavana 20 lahy misaron-tava sy nisavana tranon’olona vao maraim-be. Ambonin’izay, dia nambenana fatratra ilay tompon-trano nony avy teo. Ny angom-baovao hafa no nahafantarana fa mety ho diso olona tokony hosamborina ireto mpitandro filaminana ireto. Misy olona toa hoe tadiavin’izy ireo mantsy ary mitovy anarana amin’ity farany, saingy any amin’izany Androranga no voalaza fa mipetraka. Eo anatrehan’izany, dia mahatsiaro tena ho afa-baraka ity olona nosamborina ity, noho izay resaka fifandisoana izay, satria dia mason’olona marobe no nahita azy nohodidinina mpitandro filaminana toy ireny jiolahy rain-dahiny ireny.
m.L