- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Tonga eto an-toerana ny « Club Export » avy ao La Réunion

Toamasina : Tonga eto an-toerana ny « Club Export » avy ao La Réunion

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpandraharaha avy ao La Réunion sy ireo mpandraharaha avy eto Toamasina, ka nanomboka ny 27 septambra teo izany ary nifarana androany 03 oktobra 2023. Raha ny fanazavan’Atoa François Mandroux mpikambana eo anivon’ny club export, fa « ny fifanakekezana sy maha samy ao anatin’ny frankofonia eo amin’ny Malagasy sy ny faritra La Réunion, eo amin’ny lafin’ny kolontsaina sy ara-jeografika ary ny maha-olona. Eo amin’ny lafin’ny ara-toe-karena dia laharana faha-03 amin’ny mpanjifa, sy laharana faha-06 amin’ny mpamatsy entana an’i Madagasikara i la Frantsa ; ka nahatratra 1,1miliara euros, izany hoe niakatra 28% mihoatra ny taona 2021, izany fifanakalozana ara-barotra izany. Vokatra izany dia nisy ny atrikasa natao nandritra ny 05 andro ary nisy ny fitsidihana natao tamin’ireo orinasa teto Toamasina, toy ny orinasa Ambatovy sy ny foara TOAMiketrika  izay foara ara-toe-karena fanao isan-taona eto Toamasina, teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena manoloana ny lapan’ny tanana. Ankoatra izany dia fikambanana nitsangana tao La Réunion efa mihoatra ny 25 taona ny « club export » ary manana mpikambana 120 izy amin’izao, izay mpisehatra amin’ny fandraharahana iraisam-pirenena avokoa ny ao anatiny. Niarahana nisalahy tamin’ny « union européenne » sy ny Gepat avy eto Toamasina ary Gem avy eto Madagasikara ity fihaonana ara-toe-karena teo amin’ny nosy La Réunion sy Toamasina Madagasikara ity. Zava-dehibe amin’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ara-toe-karena eto Toamasina sy Madagasikara ity fihaonana ity, izay vao sambany natao teto Toamasina hatramin’izay nisiany raha tao Antananarivo foana hatramin’izay.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici