- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tovolahy saika hangalatra omby maty main’ny herinaratra

Toamasina : Tovolahy saika hangalatra omby maty main’ny herinaratra

Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray voalaza fa nikasa hangalatra omby tanyAmbalamanasy Toamasina omaly alina. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia maty main’ny herinaratra izy io ? Fantatra fa fandrika napetraky ny tompon’omby ny nametrahana herinaratra manodidina ny toerana idirana ao amin’ny valan’omby. Nitsaitsaika saika hamoaka ny omby ilay tovolahy kanjo main’ny herinaratra. Ny tany an-toerana rahateo amin’ny fotoana hisian’ny orana ka vao mainka nanafaingana ny fandraisan’ny vatan’ilay tovolahy ny herinaratra izany ka namono nahafaty azy. Tra-maraina teo ny vata mangatsikan’ity tovolahy ity. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ny toe-javatra ity. Misy ny fanokafana ny fanadihadiana satria nisy faty olona teo an-tokotanin’olona. Na izany aza dia endrika maneho fa mandry tsy lavo loha ny vahoaka manoloana ny tsy fandriampahalemana. Na an-tanandehibe na ambanivohitra mirongatra ny asan-jiolahy. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana manoloana izany.

Andaniny, raha ny tany Toamasina fotsiny, misy ny andian-jiolahy sahy mihantsy mpitandro filaminana. Sahy nanonona anarana mpitandro filaminana milaza fa mpiaray tendro amin’izy ireo, ary avy amin’ireo ihany koa ny famatsiana fitaovam-piadiana sy bala ny jiolahy. Nisy moa ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana momba izany, saingy mbola tsy nahitam-bokany.  Tsy sakana amin’ny asan’ny mpitandro filaminana anefa izany amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy. Ny teto an-drenivohitra dia ireny nahitam-bokany ka nahafatesana jiolahy maromaro ireny. Ankasitrahan’ny olona ny toy ireny, izay manambara fa efa tofoka izy ireo amin’ny afitsoky ny jiolahy. Ireto farany ihany koa efa tena manao habibiana rehefa manao ny asa ratsiny.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici