- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tovovavy 27 taona nisy namono tao an-tranony

Toamasina : Tovovavy 27 taona nisy namono tao an-tranony

Nisehoana tranga hafahafa teto Toamasina tao amin’ny fokontany Anjoma P/elle 32/31 ny talata teo. Tovovavy 27 taona mpiasa amin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray eto Toamasina no hita faty nihosin-drà irery tao an-tranony. Raha ny filazan’ny manodidina tsy naheno na inona na inona izy ireo talohan’ity faty hita ity, fa ilay tovovavy tsy mivezivezy teo an-tanana fotsiny no tsikaritra izy ireo. Ny mpiara-miasa aminy koa mitady azy ao an-tranony ao foana tato ho ato fa tsy mahita azy ihany koa, fa mihidy be ny vavahady. Voalaza moa fa zanaka dokotera ity tovovavy maty irery tao an-tranony ity. tsy fantatra marina izany ny tena nanjo azy ka nahafaty azy, fa feno rà aloha ny toerana nahafatesany izay heverina izany fa nisy olona tafiditra tao an-tranony ary namono tsy nisy hambahamba ny tenany. Ny fofona nivoaka hafahafa avy tao an-trano no nanaitra ny mpiara-monina nikaroka ny marina raha niezaka nitady azy foana ireo mpiara-monina tao ho ao izay. Raha nojerena tokoa ny tao an-trano dia faty efa mitsirara no hita ary eo an-dalam-pahasimbana noho ny ratra nahazo azy. Mandeha moa ny fanadiadiana ny tena nahafaty ity tovovavy ity amin’izao, ny rainy raha teo dokotera, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici