- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tovovavy avy naolana, hita faty

Toamasina : Tovovavy avy naolana, hita faty

Taitra ny olona raha nahita ity tovovavy, manodidina ny 23 taona, izay niankina tamin’ny vatobe, tsy mifanalavitra ny ranomasina sy ny tobin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisy ratra na ny kely akory aza ny vatany. Tsy nisy marika na mangana vokatry ny daroka ihany koa. Na izany aza anefa, ny fipetrany sy ny akanjo nanaovany izay somary niboridana dia nampitovy ny eritreritry ny maro izay nahita fa voaolana io tovovavy io. Efa nisokatra ny fanadihadiana sy ny fitiliana ny vatany ary izay no afaka manamarina na tsia izay fijery izay. Ho an’ireo nijery teny an-toerana, dia efa novonoina tany an-toeran-kafa ity tovovavy ity ary nariana teo amin’ilay vatobe ny fatiny rehefa avy teo. Nirona tany amin’io fahitana razana io indray ny sain’ny olona tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mbola endriky ny tsy fandriampahalemana izay mitranga ao an-tampon-tanànan’i Toamasina hatrany mantsy izany, indrindra raha voaporofo tokoa, avy amin’ny alàlan’ny valin’ny fitsirihana ny vatan’ilay tovovavy, fa maty novonoina sy naolana izy. Mbola tranga izay manaporofo ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ihany koa ny fisian’ny fanafihana teo anivon’ny “cité miaramila” tao Barikadimy ny alin’ny asabotsy teo. Trano izay ipetrahan’ny zandrin’ny Kolonely iray ao an-toerana no notafihan’ny efa-dahy mitam-basy izay nandeha scooter. Sady trano no toeram-pivarotana io voatafika io raha araka ny fanazavana avy tany an-toerana. Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia vita ny “opération” ary nanjavona ny vola tao anaty baoritra, vola maty indray andro. Raha ny vaovao azo hatrany dia tsy nisy nahatsikaritra mihitsy ny zava-niseho, satria tao anatin’ny haizina tanteraka vokatry ny delestazy. Tonga hatrany anaty toerana izay isan’ny voaaro indrindra ny jiolahy. Mihoron-koditra i Toamasina…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser