- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Tovovavy maty notapatapahana ny vatany

Toamasina : Tovovavy maty notapatapahana ny vatany

Tranga tsy fahita tao Toamasina no hitan’ireo mponina tao Salazamay atsimo manakaiky ny fiangonana Fjkm. Fatina tovovavy nozarazaraina sy niparitaka tao ambony bozaka no hitan’ireo mponina, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina. Raha ny zava-nisy dia notapatapahina toy ny famonoana biby ity tovovavy manodidina ny 25 na 26 taona ity, satria nisaraka tamin’ny vatany ny tongony sy ny tanany ary ny lohany; tsy nahitana ireo taova tao anatiny intsony ny kibony sy ny tratrany; ary tsy teo amin’ny lohany intsony ihany koa ny masony sy ny lelany. Vokatr’izay dia niparitaka avy hatrany tao Toamasina ny resaka halatra taova, izay niteraka fisavoritahana teo amin’ireo tovovavy sy ny ray aman-dreniny. Voalazan’ny mpitandro ny filaminana nijery ny faty niparitaka voazarazara, sy ny mpitsabo ao amin’ny BMH eo anivon’ny kaominina, fa tsy teo amin’ity toerana nahitana azy ity no namonoana sy nizarazarana ity tovovavy ity fa toerana hafa mihitsy, matoa tsy nahitana rà ny manodidina ny nahitana ny fatiny. Nambaran’izy ireo ihany koa fa mbola natao tao anaty vata fampangatsiahana ny vatan’ilay tovovavy nozarazaraina, satria mbola nangatsiaka be ireo ratsam-batany sy ny vatany niparitaka tamin’ny fotoana nahitana azy. Heverin’ny mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha izany fa nentina moto na fiara ka natsipy teo amin’ity faritra nahitana azy ny vatany notapatapahana izao. Niezaka ny nanambatambatra ilay faty ny BMH eo anivon’ny kaominin’i Toamasina, mba hanamora ny famantarana’ny havany azy, satria nentina eo anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly be ilay razana aloha ahafahan’izay mahalala azy mijery ilay faty.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici