- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tra-tehaka ireo mpitondra posy mpanendaka

Toamasina : Tra-tehaka ireo mpitondra posy mpanendaka

Isan’ny hahazoan’ny mpitandro fitarainana matetika indrindra ireo mpandeha alina tia mitaingina posy sy ireo mpaka entana amin’ireo tranombarotra mpamongady tia mampikarama posy, ny hafitsoka ireto ekipan’ingahy Omar Angelo 20 taona sy ingahy Eliot 21 taona namany izay samy mipetraka ao akaikin’ny “pont mainty Verrerie”. Ny fomba fanaon’izy roa lahy ireto dia izay mahazo mpandeha dia manaraka ny iray tsy mahazo, ka vao tonga amin’ny faritra maizimazina na misy olona aza dia mody mijanona manamboatra posy ilay nahazo mpanjifa ary mandritra izay no manararaotra manendaka kosa ilay tsy nahazo mpandeha. Ny faritra Barriere Abattoir, Galana Manangareza, fokontanin’i Depot faha-03 hatramin’ny faha-04, ary ireo mody mpamonjy alim-padihizana ao amin’ny Pattaya no tena lasibatra amin’izy roa lahy ireo amin’izao fomba fanaony izao. Nambaran’ny rafaliarivo Jules komandan’ny FIP Toamasina fa raha mitohy sy matotra hatrany ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka ary ny andrimasom-pokonolona, dia misy hatrany ny vokatra sy hizaka ny heloka vitany ireo mpanao ratsy. Nomarihany koa anefa fa misy filoha na fikambanana zanak’Ampilezana iray eto Toamasina manao fanelanelanana be loatra raha misy olona avy amin’izy ireo tratra ao anatina asa ratsy tsy hisian’ny filaminam-bahoaka eto Toamasin, izay lasa manelingelina ny asan’izy ireo. Ankoatra izay dia nanampy ara-takamoa ireo fokontany tena miaina anaty haizina koa ity komandan’ny FIP Toamasina ity amin’ny fiaraha-miasany amin’ireo tsara sitra-po, ka fokontany maromaro ny hahazo izany hanazavana Tanana isan’isany ny fokontany dimy ao Andranomadio izay tena maizina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici