Tokony tamin’ny 09ora sy fahefany teo no voalaza fa nitrangan’izany hai-trano izany. Misy fianakaviana telo moa no mipetraka amin’ity trano lehibe ity, izay samy tsy naharay ny entany avy ka may kila forehitra avokoa ny fananana manontolo nandritra izany. Raha ny voalazan’ny nahita ny firehetana dia resaka kaonteran-jiro nipoaka taorian’ny fiveranana tampoka tamin’ny herinaratra izay tapaka tamin’ny 08ora maraina, no nahatonga izao hai-trano izao, izay heverina fa nisy zavatra mandeha amin’ny herinaratra adino ny nanapiaka azy nandritra io fahatapahana herinaratra io no nahatonga ny fipoahana.
Ny tena nanaitra ny mponina namonjy ity hai-trano ity tsy hiparitaka amin’ireo trano manodidina azy, dia ny tsy fahatongavan’ny mpamonjy voin’ny kaominina na efa nantsoina ara-potoana aza, raha tsy efa matin’ny fokonolona naira-nientana ny afo. Satria efa tamin’ny 11ora sy sasany vao nitondra rano hamonoana ny afo izy ireo. Raha nanontaniana ny anton’izany ny kolonely lehiben’ny mpamonjy voina ny kaominina, dia nilaza izy fa mbola niaraka tamin’ny ekipan’ny kaominina nanokatra lalana tery tsy hahafahan’ny fiara miditra tao Morarano, ka adonin’izy ireo ny tena asany amin’ny vonjy voina.
Ankoatra izay, dia milaza ny hisory ny orinasa jirama amin’izao nahatonga hai-trano tao Andranomadio izao ireo fianakaviana telo may fananana sy niharam-boina tamin’izao raharaha izao, saika io fipoahana kaontera io avokoa no niteraka ny hai-trano teto Toamasina tato ho ato izay, aorian’ny fahatapahan’ny herinaratra; ary milaza koa fa mety hitory ny kaominina ihany koa amin’ny tsy famonjena olona miantso vonjy, fa laozan’izy ireo manao asa tsy nampandreketina azy indray ireo fiara be mpamonjy hain-trano nomen’Ambatovy hiasan’ny kaominina ho an’ny vahoaka mila vonjy.
Malala Didier