- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Trano miisa 8 no indray kila, 80 tsy manan-kialofana

Toamasina : Trano miisa 8 no indray kila, 80 tsy manan-kialofana

TRANO-MAYNitrangàna hain-trano mahatsiravina indray tao Ambolomadinika, Toamasina, omaly antoandro tokony tamin’ny 12 ora tany ho any. Tsy mbola fantatra mazava izay nahatonga ny afo fa ny setroka mainty nanaloka ny lanitra sy ny firedaredan’ny afo no nanaitra ny manodidina. Vetivety ihany koa dia nitatra izany noho ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra. Nanampy trotraka ihany koa ny fahataran’ny fahatongavan’ny “pompiers”, satria tery dia tery ny làlana mihazo ilay trano may. Naharitra adiny iray mahery vao maty tanteraka ny afo. Vokany : trano miisa 8 ana tokantrano 13 no indray kila ary olona 80 no tsy manan-kialofana raha ny tatitra nataon’ny sefo fokontany.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici