- Publicité SW45 -
lundi, septembre 9, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina : Tranom-barotra iray voatafika, voatifitra ny tompony

Toamasina : Tranom-barotra iray voatafika, voatifitra ny tompony

Voatifitra teo amin’ny kibony ilay rangahy tompon’ny tranombarotra. Voaroba ny vola saika haterina tany amin’ny trano mpitahiry petrabola sy ny vola maty ny tapakandro. Ireo no nitranga tao amin’ny fivarotana iray tao Morafeno Toamasina. Ny azo ambara dia miverina indray ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana ao. Toerana isan’ireo be mpandalo  avy amin’ny fokontany manodidina ny toerana misy ity fivarotana ity. Eo amin’ny sampanan-dalana mihazo ireo tanàna fonenana sady ambohi-pihaonan’ny fokontany isan’ireo be mponina ao Toamasina ihany koa. Omaly maraina tokony ho tamin’ny folo ora tany, nisy telo lahy tonga hividy kojakoja tao amin’ilay tranombarotra. Tonga toy ireny mpividy ireny izy ireo ka tsy nisy nisaron-tava, nefa tsy nampoizin’ny tao an-trano fa misy fitaovam-piadiana teny amin’izy ireo. Tsy nijanona teny amin’ny toeran’ny mpividy anefa ny roa lahy fa avy hatrany dia nanao amboletra tany amin’ny lalana mihazo ny fandraisam-bola. Rehefa voasakan’ny mpivarotra dia nanambana basy avy hatrany. Azon’izy ireo avokoa ny vola rehetra tao amin’ilay tranombarotra. Tsy fantatra aloha hatramin’izao ny tetimbidiny. Ny azo ambara dia nisy ny vola efa vonona harotsaka any amin’ny banky sy ireo vola maty ny tapakandro maraina teo. Voatifitra teny am-pandosirana  ilay tompon’ny tranombarotra raha iny nivoaka ny  toerampivarotana iny. Efa samy niantsoantso fa tafiditry ny mpangalatra ilay fivarotana ireo teny amin’ny manodidina sy ny tao anatiny. Tsy naharototra ireo mpandroba anefa izany fa vao mainka ny basy teny amin’izy ireo no napoakany. Tsy nisy afaka nitondra famonjena ny teny amin’ny manodidina. Ireo rahateo avy dia nihazo lalankely tany ambadiky ny fivarotana. Nojerem-potsiny ireo mpandroba nitsoka matanjaka. Ary dia nandeha mora rehefa tany anatin’ny lalam-pasika, toy ireny tsy nanao na inona na inona ireny. Herintaona mahery kely lasa izay, efa voaroba toy izao ihany koa ity fivarotana ity. Lasa ny saka, dia mpitandro ny filaminana nokohizana tamin’ny fanenjehana ireo jiolahy, mandihy  ny totozy amin’ny halatra sy ny vaky trano miaraka amin’ny fitaovana maranitra. Lasa ihany koa ny mamba, izay tsy nanao afatsy asa fandrobana, misosoka ny voay izy tsy miahotra ny hitifitra sy hanao tsatokantsy amin’ny olona tafihana.

Jean-Claude STEVE

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser