Voasambotry ny polisy tao amin’ny kaomisarian’ny biroborintany faha-2 ny herinandro nivalona teo izy roa lahy fanta-daza amin’ny asan-jiolahy mampiasa basy PA teto Toamasina. Tsy iza izany fa i Barinjaka 29 taona sy i Tantely 20 taona, samy mponina ao Ambodisaina.
Basy na Miaramila. Niara-voasambotra tamin’izy ireo koa ity tovovavy antsoina hoe “Rose” 28 taona, izay mpanatitra sy mpaka ny basy PA fampiasan’izy ireo. Samy niaiky ny zavatra nataony avokoa izy telo mianadahy ireto tamin’ny fakana am-bavany azy ireo teo anivon’ny polisy nisahana ny famotorana. Ny angom-baovao natao tamin’izao raharaha izao anefa no nahalalana fa sakaizana miaramila antsoina hoe Robia, miasa eo anivon’ny toby 1/RM3, ity Rose ity, ka raha io angom-baovao io dia ity miaramila am-perinasa ity no mpamatsy basy, saingy tamin’ny fampiantsoana azy dia tsy namaly ny antso izy satria nahazo baiko tamin’ny namany tsy hiatrika izany.
Vola 8,6 tapitrisa. Raha hiverenana ny tantara dia ilay tranga fanafihana niseho tamin’ireo mpividy sakafom-biby nirahan’ny mpampiasa azy, ny 29 may lasa teo, no tena nahalalana azy roa lahy ireto farany. Raha niezaka nanafina ilay vola be 8,6 tapitrisa ariary nentiny tao anaty gony sy mbola nentina kalesy izy ireo, dia nisy nahatsikaritra. Vao nigadona teo amin’ilay tranombarotra fividianana ilay sakafom-biby izy ireo dia raikitra avy hatrany ny fitifirana ilay iray tena nitondra ny vola, izay maty teo am-pitondrana azy teny amin’ny hopitaly be. Mbola nisy ity fiara 4×4 nanara-maso azy ireo izay voalaza fa mpanome ny vaovao mbola karohina.
Taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana dia miandry fitsarana ao am-ponja ao Ambalatavoahangy i Barinjaka sefo, sy i Tantely mpanara-dia, ary i Rose mpanampy azy roa lahy ireto nanomboka ny sabotsy misandratra andro teo…
Malala Didier