Manao ny ezaka rehetra mba hahafahan’ny rehetra manao fety am-pilaminana ny mpitandro ny filaminana amin’izao vanim-potoan’ny fetin’ny krismasy sy ny famaranana ary ny fitsenana ny taona vaovao izao. Naverina an-dakazerina avokoa ireo mpitandro ny filaminana misahana izany, ka isan’izany ny polisim-pirenena izay manao fisafoana eran’ny tanàna na andro na alina.
Noho ny ezaky ny polisy dia tratra ambodiomby ny 22 desambra teo tao Ambalabe Toamasina Ingahy Mila Mora, 40 taona, izay isan’ireo mpitarika andian-jiolahy eto Toamasina. Mbola tratra teny aminy nandritra izany ny basy vita gasy fampiasany sy fampanofany amin’ireo andian-jiolahy ekipany. Raha ny fanazavana azo dia ity Mila Mora ity no isan’ireo andian-jiolahy mpitaingina Moto scooter eto Toamasina, ary mpitarika azy ireo, izy no mpanara-maso ety ivelany mandritra izany. Isan’ny asan-jiolahy efa nataon’izy ity ny fanafihana ny tranom-barotra Su Lone Bazary be, mpivarotra finday sy mpanao “Money-Banking” tao Tanambao V sy Ambohijafy ary Valpinson, … ary ilay mpivarotra hazo nody tao Mangarano farany teo very vola 5 tapitrisa ariary. Efa ela nokarohina ity lehibena andian-jiolahy ity, raha ny fanazavan’ireo kaomisera efatra mianadahy eto Toamasina, ka izao tratra tamin’ny fotoana tsy nampoiziny tao Ambalabe Toamasina izao, ny alakamisy ihany, nony farany.
Malala Didier