Isan’ny tranga nampihorohoro ny tao amin’ny fokontan’Andranomadio, “cité” Valpinson, ary manodidina ny fokontany Ambohijafy, ny trangana famakiana trano sy fanolanana ireo vehivavy tratran’ireo andiana jiolahy amin’izany, ireo heverin’izy ireo fa mbola virijiny no tena lasibatra.
Tanana zatra nitsotra ny an’ireto andian-jiolahy, ka ny sabotsy alina teo nifoha ny alahady tokony tamin’ny 2 ora maraina dia fianakaviana iray monina ao Andranomadio P/elle 11/41, mpivarotra vilany sy enta-madinika no nidiran’izy ireo. Telo mianaka izy ireo no tao an-trano nandritra izany, dia zazavavy 13 taona, ny reniny ary ny zaobaviny mpianatra ao Barikadimy. Lasan’ireto jiolahy tamin’izany ny moto scooter iray sy vary roa gony ary vilany niisa 26. Tsy vitan’izany fa naolan’ireto andian-jiolahy koa ilay zaobavin’dRamatoa, teo am-pikasana ny anolana an-janany ireto jiolahy no nijoro ilay ramatoa nilaza fa “aleo izaho no haolanareo, na hovonoinareo, toy izay ny zanako no anaovanareo ny filan-dratsinareo eo”. Natahotra ihany noho izay ireto andian-jiolahy dia lasa nitondra ny entana azony.
Nanomboka teo anefa ny fikarohana satria ilay jiolahy iray niaraka tamin’ireto andian-jiolahy ireto dia fantatr’ireto fianakaviana ireto, noho izy efa niasa nitatitra ranon-tany nanamboaran’izy ireo trano. Ity tovolahy ity antsoina hoe Angelo Bernard na Talata no tratra voalohany, ka izy indray no nanoro an-dRa-Pa ilay mpanolana, ary izy avy eo no nanoro an’Ingahy Salimo Mario, na Dada, sy Georges Mickael na Mika. Ity farany izay nanda ny fiampangana azy hatramin’ny farany raha niaiky avokoa ireo ambiny, ary mbola nanamafy izy ireo fa izy ireo no nanolana ireo vehivavy tratrany ao an-trano mandritra ny famakiana trano ataony, tao Andranomadio sy Valpinson ary Ambohijafy. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny fitaovana fampiasany sy ilay moto, ireo vilany sy vary kosa tsy hita.
Taoriana ny fiakaran’izy efa-dahy fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana dia miandry fitsarana am-ponja izy ireo noho ny “famakiana trano sy fanolanana ary fametavetana vehivavy”.
Malala Didier