Efa nanomboka ny volana aprily teo no efa nanao ny fisolokiany tao amin’ny kaominina Antetezambaro, sy tao amin’ny fokontany Ankadirano, amin’ny lalam-pirenena faharoa, amin’ny filazana fa mahay mampitombo vola, ny lehilahy iray antsoina hoe Mario 36 taona mpitarika, sy ireo namany telo lahy izay mpiara-mandresy lahatra ireo olona tiana fitahina sy solokiana.
20 tapitrisa ariary. Nanomboka tamin’io volana aprily io dia olona roa no tratran’ny fisolokiana sy fandraikirekena nataon’ireto milaza ho mpampitombo vola ireto. Ny iray nahazoan’izy ireo vola 16 tapitrisa ariary, ny faharoa nahazoan’izy ireo ihany koa 4 tapitrisa ariary; koa raha atambatra izany dia 20 tapitrisa ariary ny vola efa azon’ireto ekipan’ny Mario sy ny namany ireto. Taorian’ny fitarainan’ireo olona tratran’ny fisolokiana ireo, dia nanomboka ny fikarohan’ny polisy misahana ny heloka bevava ao Toamasina tarihan’ny komisera Ramilison Celestin. Ny niafarany raha ela nitoratorahana dia tratran’ny vela-pandrika tao Ankirihiry tranonjiro, ka noraisim-potsiny Ingahy Mario, mipetraka ao Andranomadio P/elle 11/42 lehiben’ireo mpisoloky mampitombo vola. Ireo namany telo lahy kosa nambarany fa raha nahazo ny vola dia namonjy an’i Toliara avokoa.
Taratasy miloko mainty sy maitso. Nandritra ny fahatrarana an’Ingahy Mario, ka nosavaina ny tranony tao Andranomadio P/elle 11/42, dia nahitana taratasy mitovy tapaka amin’ny habehana vola 10.000 ariary miisa 12.000, ka 6.000 avy ireo miloko maitso sy mainty, teo koa ny “carbure” fampiasa amina “soudure”. Ity farany no entiny mandresy lahatra ireo hosolokiana noho izy mangotraka raha mahazo rano, ireo vola ambara fa ampitomboina kosa atsofoka eo anelanelan’ireo taratasy miloko maitso sy mainty ireo ary atao anaty koveta be avy eo. Afaka adiny telo dia mody sokafan’ireo mpisoloky ilay fonosana be misy ireo vola sy taratasy. Mandritra izay anefa dia hain’ireto mpisoloky ny manaisotra ny vola tena izy, ary tsy avelan’izy ireo sokafan’ilay tompom-bola ampitomboina ilay fonosana raha tsy afaka telo andro, mba tena ho masaka tsara ireo taratasy hiova ho vola.
Omaly tolakandro no niakatra fampanoavana ity lehiben’ny mpisoloky milaza mampitombo vola. Nalefa vonjy maika any am-ponja izy miandry ny fitsarana azy. Namoahana didy fampisamborana koa ireo namany telo tsy hita.
Malala Didier