- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Tratra ireo andian-jiolahy enina isan’ireo mpanendaka hikohizana

Toamasina : Tratra ireo andian-jiolahy enina isan’ireo mpanendaka hikohizana

Somary nirongatra ny asan-jiolahy teto Toamasina tamin’ny faramparan’ny volana may sy ny fiandohan’ny volana jona ity. Indray andro monja mantsy dia fanafihana mitam-piadiana efatra, ka iray nahafaty olona, sy asa fanendahana telo ka ny iray mpitandro ny filaminana vehivavy hamonjy fodina mihitsy no voany, no indray niseho teto Toamasina ny fiafaran’ny volana may sy ny fiandohan’ny volana jona teo. Manao ny ezaka rehetra amin’ny famongorana azy ireny ny mpitandro ny filaminana, araka ny nambaran’izy ireo, saingy lasa manome vahana ny fanaovana asa ratsin’ireo andian-jiolahy koa ny zava-misy eto amin’ny firenena ka sahiran-tsana na manao ny ezaka rehetra aza izy ireo na andro na alina. Ho an’ny komandin’ny FIP Toamasina Rafaliarivo Jules izao dia manao antso avo amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ireo tsara sitra-po rehetra manome vaovao marim-pototra hahafahana mihefy ireo andian-jiolahy ireo ny tenany, fa hisy ny valisoa omena azy ireo amin’ny fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny filaminam-bahoaka ihany. Nahitam-bokany sahady anefa izany ho azy ireo, satria dia nisy sahady ny vaovao azon’ny FIP izay nahasamborana andiana mpanendaka mpanao andiany roa miisa enin-dahy tratra omaly alatsinainy antoandro. Isan’ny fanaovan’izy enin-dahy ireto, izay vondrona iray fa saingy samy manana ny faritra hanaovany ny asa fanendahay, ny ao Ankirihiry tsena, Bazary may, Cité haras, lalam-baovao Tanambao V sy Mangarivotra ary Andranomadio, ary ireo fokontany efatra mandrafitra an’Andranomadio. Mbola tratra tany amin’izy ireo avokoa ireo antsy fotsy sy ireo sabatra fampitahorany olona nandritra izany, ankoatra ny ity basy kilalao fampiasan’izy ireo ihany koa.

Malala Didier  

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici