- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tratra ireo mpanao kidnapping, telo voatifitra, iray maty

Toamasina : Tratra ireo mpanao kidnapping, telo voatifitra, iray maty

Efa ela no narahan’ny mpitandro filaminana ireto jiolahy ireto, ary dia izao niafara tamin’ny fifampitifirana izao.

Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana tao Toamasina, teo anelanelan’ny “Chateau d’eau” sy ny Bazarikely, afak’omaly hariva tokony tamin’ny 7 ora ny andian-jiolahy. Olona enina no indray niantefan’ny bala, ka ny telo tamin’ireo no voalaza fa ireo jiolahy nenjehan’ny mpitandro filaminana, ary ny telo hafa kosa olon-tsotra teo antsisin-dalana ihany. Ny iray tamin’ireo voalaza fa jiolahy moa namoy ny ainy ary ny roa kosa mbola ao amin’ny hopitaly. Amin’ireo olon-tsotra telo hafa kosa, izay voan’ny bala tsy nahy dia mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly, ka ny iray izay vehivavy no tena atahoranany ainy. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia efa nisy olona nampiahiahy ny mpitandro filaminana nivezivezy tao an-tananan’i Toamasina andro maromaro izay. Efa nisy araka izany mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily nanaraka azy ireo. Ary fantatra fa nitondra fiara 4X4 fotsy ireo olona ireo. Rehefa nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ry zalahy ireto dia nasaina nijanona saingy tsy nety, ka dia raikitra ny fifampitifirana izay naharitra 30 minitra tany ho any. Nisy tamin’ireo mpivarotra siny plastika teo antsisin-dalana no niantefan’ny bala. Ny iray lehilahy izay voa teo amin’ny tendany. Nisy vehivavy iray teo amin’ny masony ary nisy fahatelo izay avy hatrany dia nisy nitondra tany amin’ny hopitaly. Voalaza fa ireto olona no nenjehana ka voatifitra ireto no isan’ireo naka an-keriny ilay karàna antsoina hoe Moustapha tao Toamasina. Mbola tsy nahazoam-baovao moa ny mahakasika ity raharaha ity hatramin’izao fa dia andrasana ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser