- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tratran’ny polisy i “Black” mpanendaka sy ireo mpamaky trano 16...

Toamasina : Tratran’ny polisy i “Black” mpanendaka sy ireo mpamaky trano 16 mianadahy

Sasatry ny miditra am-ponja noho asan-jiolahy fanendahana fanaony i “Black”; vao tsy ela akory no nivoahany am-ponja noho ity heloka fanaony ity, dia izao tratran’ny polisy indray ny tenany, izy raha teo no lehiben’ireo mpanendaka ao amin’ny bazary may Ankirihiry Toamasina. Tsy nanam-po na inona na inona ny tenany, fa teo am-panendahana olona hody avy namonjy alim-pandihizana izy no voasambotr’ ireo polisy mpanao fanamiana sivily, ny alakamisy alina teo. Ankilan’izay dia ny maraim-ben’ny zoma 14 jolay teo tokony tamin’ny 03ora maraina dia nitrangana vaky trano tao Morarano Toamasina. Tsy nisy afa-nihetsika ny tao an-trano nandritra ny halatra, saingy vao lasa ireo andian-jiolahy efatra nanao izany, dia niantso vonjy tamin’ny polisy izy ireo. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny UIR sy ny USI ny polisy; ka tsy lasa lavitra dia sarona izy efa-dahy sy ireo môtô telo nangalarin’izy ireo, izay tafaverina tamin’ny tompony. Teo koa ny fahatrarana ireto mpangalatra môtô tao Tanambao- V, ny zoma alina teo tokony tamin’ny 10ora. Jiolahy telo no sarona tamin’izany, tratra ihany koa ireo moto nangalarin’izy ireo. Ankoatra izay dia mpamaky magazay amin’ny resaka halatra vy sy simenitra no saron’ny polisy, ny maraina ben’ny zoma teo tao Ampasimazava Toamasina. Miisa 100 ireto vy fanamboaran-trano  nangalarin’izy  valo mianadahy, izy ireo no tratra tamin’izany, ka ny telo vavy ny mpiambina ny magazay sy mpanosika ny kalesa, ary ny roa vavy izay mpividy. Raha ny filazan’ny tompon’ity magazay izay mpandraharaha fanta-daza, dia efa nahatratra amina miliara ny fahaverezana entana tao aminy…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici