- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tratran’ny polisy izy dimy lahy nisoloky lavanilina 147 kilao

Toamasina : Tratran’ny polisy izy dimy lahy nisoloky lavanilina 147 kilao

Saron’ny polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra ireto mpisoloky lavanilina 5 lahy teto Toamasina. Vela-pandriky ny polisy no nahazoana azy ireto ary nandritra ny fakana am-bavany azy ireo dia niaiky ny fisolokiana lavanilina nataony izy ireto, hoy ny polisy misahana ny fanadihadiana. Raha ny fanazavan’ny polisy, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’ilay lavanilina nisy nisoloky, dia ny 27 aogositra teo no tonga tao aminy ary nisoliky sy nangalatra taminy ireto olona ireto. Nitondra fiara tsy mahatodalana manana nomerao vahiny izy ireo nandritra izany, ka lasan’izy ireo tamin’izany ny lavanilina 147kgs. Tao Valpinson no nitrangan’ny raharaha ka mitotaly eo amin’ny 60 tapitrisa ariary eo ny vidin’izany lavanilina 147kgs nosolokiana sy nangalarina izany. Izany antsoina hoe Dadah izany no nitarika izao fisolokiana niharo halatra lavanilina tao Valpinson izao, ka ny 28 aogositra dia nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy ilay tompon’ny lavanilina lasan’ireo mpisoloky sy mpangalatra ireto. Nanomboka avy hatrany ny fikarohana ireto olona ireto ka ny herinandro nivalona teo dia tratra ilay naman’i Dadah, ka izy indray no nanaovana vela-pandrika an’i Dadah tompo-marika. Nitatra anefa ny fisamborana tao anatin’ny fakana am-bavany azy roa lahy ireto, satria tratra hatramin’ny tompon’ny fiara nampiasaina tamin’ny fisolokiana sy ny halatra lavanilina natao tao Valpinson. Nisy dimy izy ireo no sarona tamin’izany ka niakatra fampanoavana taorian’ny fakana am-bavany azy ireo. Miankina amin’ny baikon’ny fampanoavana, hoy ny kaomisera, ny fanohizana  ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity, amin’ny fisamborana ireo izay mety ho namany satria hatreto dia ny lavanilina lafo ihany no nambaran’izy dimy lahy fa tsy natoron’izy ireo kosa ny olona namarotany izany. Any am-ponja miandry ny fitsarana azy ireo nandray anjara tamin’izao fisolokiana lavanilina tao Valpinson izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici