- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tsy tonga ny artista, raikitra ny sakoroka

Toamasina : Tsy tonga ny artista, raikitra ny sakoroka

Potika ny fotodraditrasa sasany tao amin’ny gymnase Soavita. Ny antony dia noho ny hatezeran’ny olona izay niafara tamin’ny toraka tavoahangy sy ny fanapotehana seza plastika. Tezitra izy ireo satria tsy tonga ny artista Maman’i Tsololo izay lohan’ny afisy amin’ny fampisehoana ny harivan’ny asabotsy teo. Nisy ihany ny artista hafa nanafana saingy itsy farany no tena nandrasan’ny olona izay nisy niaritra mandram-parain’ny andro aza. Saingy nisy fetrany ihany ny fiandrasana ho an’ny olona maro ary niakatra rahateo ny toaka. Raikitra ny famotehan-javatra sy ny toraka tavoahangy. Tsy fahamatoran’ny artista hatreto no hita mivaingana amin’ity raharaha ity. Raha ny fantatra mantsy dia mbola tany Mahajanga koa izy ny marainan’ny asabotsy ary nanafana ny andron’ny vehivavy. Tany an-toerana izay fety be ary saika tany avokoa ny manam-pahefana maro. Mazava hoazy fa nitetika ny nanao poa-droa ilay artista ary tsy nokajiany ny halavirana. Na nandeha fiaramanidina aza ka tonga teo Ivato ny harivan’ny asabotsy, tsy ho tonga any Toamasina mihitsy amin’ny lera nenjehina raha nandeha fiara. Ny novoiziny dia ny hoe niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny fidirana an’i Toamasina. Eo koa dia efa betsaka no tsy nino intsony. Tsy voalohany no nisy toa izao teo amin’ny tontolon’ny fikarakarana fampisehoana ary betsaka ireo orinasa mpikarakara no sahirana noho ny tsy fahamatoran’ny artista sasany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici