- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Vaky ny biraon’ny servisin’ny famantarana ny toetr’andro

Toamasina : Vaky ny biraon’ny servisin’ny famantarana ny toetr’andro

Tsy tranga fahita ao Toamasina loatra ny asan-jiolahy mamaky biraom-panjakana na ireo talem-paritra samy hafa. Ny zoma alina hifoha ny sabotsy teo anefa, dia nisy namaky ny biraon’ny talem-paritry ny asa vaventy ao Toamasina, ka nopitsohin’ireo jiolahy tamin’izany ny varavarambe miditra ny biraon’ny servisy misahana ny famantarana ny toetr’andro. Very tamin’izany ny fitaovana samihafa fampiasa amin’ny asa famantarana ny toetr’andro ataon’izy ireo, teo koa ireo solosaina mirakitra ny vokatry ny asa andavanandro sy ny tahirin’asa hatramin’izay, ary antontan-taratasy maro ihany koa; ireo tsy lasan’ireo jiolahy tahaka ny “onduleur” sy antontan-taratasy maromaro sasany dia najanon’izy ireo teo an-tokotan’ny talem-paritra ihany. Tsy fantatra mazava ny tena isan’ireto jiolahy nahavanona izany, fa ny angom-baovao tetsy sy teroa no nahalalana fa 4 izy ireo, ka ireny famakiana trano ireny no fitaovana nentin’izy ireo fa tsy nisy fitaovam-piadiana mahery vaika na tsotra niaraka tamin’ireo jiolahy. Voalazan’ny angom-baovao teo anivon’ny talem-paritry ny asa vaventy Toamasina, fa niezaka ny nanenjika ireto jiolahy ihany ny mpiambina ity tranom-panjakana ity, saingy tsy nahazo azy ireo. Ny tena mahagaga anefa amin’ity raharaha ity dia tranom-panjakana sy birao na telem-paritra avokoa ny manodidina ity vaky ity izay samy manana ny mpiambina karamain’ny fanjakana avokoa, isan’izany ny ao an-damosiny misy ny tahirim-bolam-panjakana, atsinanany ny banky foiben’i Madagasikara Toamasina sy ny banky BNI, ny eo andrefany kosa ny Lapan’ny faritra Atsinanana, ary ny eo anoloany ny talem-paritry ny fambolena sy ny biraon’ny fananan-tany, nefa na mpiambina iray tamin’ireo biraom-panjakana ireto tsy nisy nahasambotra ny iray tamin’ireto jiolahy akory. Ny zava-misy izany tsy ho ela dia hivoaka etsy sy eroa ny tsiambaratelon’ny asa voarakitra ao anatin’ity solosaina very, tao amin’ny servisin’ny famantarana ny toetr’andro ny talem-paritry ny asa vaventy Toamasina nisy namaky ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici