
Nitranga tokoa ny ahiahin’ireo mpitandro ny filaminana hatramin’ny nisian’ireo voafonja an-jatony afaka avy hatrany, taorian’ny fampihenan-tsazy nomen’ny filoham-pirenena noho ny taona vaovao teto Toamasina. Efa nitranga na vaky trano niteraka vono olona sahady tao Andranomadio P/elle 11/43 ny alarobia 11 janoary nifoha alakamisy 12 janoary tokony tamin’ny 12ora alina sy 30 min.
Vola 300.000 ariary. Raha ny fanazavan’ny renin-dRazafinirina Ruphin 24 taona izay maty nandritra ity vaky trano tao Andranomadio ity izay miray trano amin-janany, dia tao anatin’ny torimaso tsy nanampo na inona na inona izy ireo tao no avy hatrany dia nampiasan’ireo jiolahy ny heriny ny varavaran’izy ireo. Noho io fanazavana io ihany dia niisa telo ireo jiolahy tafiditra ny trano, izay nitondra antsy ny roa ary kibay be ny 3, mbola nisy kosa ny tany ivelany izay heverina araka ny fanazavana fa tsy nihoatra ny telo ihany izy ireo. Avy hatrany dia ny vola no notakian’ireto andian-jiolahy, ka nanomezan’ity raim-pianakaviana ny hany vola tao an-trano 300.000 ariary. Tsy afa-po ireto jiolahy ka nibatabata ny kidoro natorian’i Ruphin sy ny vadiny ary ny zanany vao telo volana; raha niaro an-janany i Ruphin no notsatohan’ireto jiolahy antsy in-3 ka teo amin’ny kibony ny 2 ary ny tratrany in-1.
“Fitsaram-bahoaka”. Nahazo antso nandritra izao vaky trano niteraka faty olona izao ny polisy tao amin’ny kaomisarian’i Mangarano ka avy hatrany dia nijery ny zava-nisy. Tratra am-bodiomby nandritra izany ny 3 tamin’ireo andian-jiolahy ireto izay mbola niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasany. Omaly alakamisy maraina anefa nahatongavan’ireo andian’olona avy ao Andranomadio P/elle 11/43 ny biraon’ny kaomisarian’i Mangarano nitadiavan’izy ireo ireto jiolahy 3 voasambotry ny polisy ireto. “Avoahy ao ireo jiolahy ireo anaovanay fitsaram-bahoaka, fa tsy telo volana akory ireo any am-ponja dia tafavoaka indray, aleo aina solon’ny aina no anaovana azy ka omeo anay vahoaka hitsaranay azy”, izay no antsoantson’ireto andian’olona ireto, izay niezaka nandamina ny raharaha tsy hisian’ny sakoroka sy korontana ary fahamaizana samy hafa mety hitranga ireo lehiben’ny polisy.
Taorian’ny adiny 5 nifandresehan-dahatra teo amin’ireto andian’olona sy ireo mpitandro ny filaminana mikasika ny resaka “fitsaram-bahoaka”, dia nilamina ihany ny raharaha. Ireto andian-jiolahy telo nanao vaky trano sy mbola namono olona ireto kosa miatrika fanadihadiana azy hatramin’ny omaly, entina hamantarana ny namany sy ny vondron’andian-jiolahy misy azy ireo eto Toamasina…
Malala Didier