- Publicité -
lundi, mai 5, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Vao nivoaka tao Tsiafahy dia nitazona basy tsy ara-dalana sahady

Toamasina : Vao nivoaka tao Tsiafahy dia nitazona basy tsy ara-dalana sahady

Taorian’ilay fanafihana nitam-piadiana nitranga ny harivan’ny 24 desambra 2019 teo tokony tamin’ny 07ora hariva izay tsy lavitra ny kaomisarian’ny polisy bazary kely no nitrangany, ka nahavery vola 03 tapitrisa ariary tamin’ity mpivarotra hamonjy fodiana, dia tsy nitsahatra ny fanadiadian’ny polisy amin’ireo andiana jiolahy mitam-basy eto Toamasina.
Ny alin’ny farany taona 31 desambra 2019 teo dia nisy olona nanome vaovao ny polisy fa misy olona mihazona basy PA tsy ara-dalana eto Toamasina ka mikasa ny hanao asan-jiolahy izy sy ny ekipany. Rehefa nataon’ny polisy ny velam-pandrika mikasika izany dia ny 02 janoary 2020 vao tratra ireto andian-jiolahy mihomana amin’ny asa ratsy ireto; ka tamin’izany koa no nahalalan’ny polisy fa saika fanafihana kioska mpikirakira vola sy famakiana trano ary fanafihana olona mpitondra vola teto Toamasina no nokasain’izy ireo natao. Tao anatin’izao fisamborana izao koa dia fantatra fa ingahy Faby izay efa nalefa tany Tsiafahy niaraka tamin’ireo namany noho ny fikomian’izy ireo tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy ity tratra niaraha tamina basy PA sy bala roa tsy ara-dalana ity. Ny antony nahatonga an’i Faby teto Toamasina dia ny fahavitan’ny saziny ny 09 desambra ny taona nivalona iny, satria efa vita fitsarana teto Toamasina tao anatin’ny fitsarana ady heloka be vava ny tenany. Ankilan’izay dia efa maro indray ny manahy amin’ny firongatry ny asan-jiolahy noho ilay fanen-tsazin’ny fanjakana vokatry ny resaka zon’olombelona. Mazana dia izay hatrany no miseho eto Toamasina hoy ireo mpitandro ny filaminana raha misy izay fanen-tsazy izay.
Ankoatra izay eo koa ny ahiahin’ireo teratany karana manana zom-pirenena frantsay amin’ny resaka fakana, satria io fanafihana mitam-piadiana azy ireo io hatrany no fanombohan’izany hatramin’izay, tahaka ilay nitranga tao Anjoma – Bazary be ny zoma tamin’ny 04ora hariva teo izay nanafihana andian-jiolahy efatra mpivaro-damba iray.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici