Vokatry ny angom-baovao nataon’ny polisy teto Toamasina araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo, dia tratra ambodiomby teo am-pivarotana tovovavy malagasy amin’ny alalàna horonan-tsary mamohafady ity vazaha iray 42 taona manambady tovovavy malagasy.
“Sex toys”. Tao Ambohijafy Toamasina no nahatrarana ity lehilahy ity sy ireo tovovavy amidiny amin’ny horonan-tsary mamohafady any ivelany ity. Raha ny fiarahan-olon-droa na telo na efatra anefa no fahitana amin’ny toe-javatra tahaka izao, dia ny filalaovana horonan-tsary alaina mivantana amin’ny alalan’ny “webcam” ireny, ampiarahana amin’ny fitaovana samy hafa antsoina hoe “sex toys” no ampiasaina amin’izany. Ny nahagaga dia tsy vitan’ireo fitaovana namboarina manokana fanaovana horonan-tsary, sy fanomezana fahafinaretana ireo olona mila izany ihany no ampiasaina mandritra izany, fa tratra tao an-tranon’ity vazaha ity hatramin’ny “baranjely” ihany koa. Ny tranonkalam-pifandraisana manana ny foibeny any Canada no tena mampiasa ity vazaha ity. Arakaraka ny halavan’ny horonan-tsarim-pafinaretana tadiavin’ireo mpanjifa ny vidin’izany.
400.000 ariary. Fahazoan-dàlana hizahatany no nahafahan’ity lehilahy ity mipetraka eto Toamasina. Nefa tao anatin’ny roa volana no nanomanany izao fivarotana tovovavy malagasy manao horonan-tsarim-pafinaretana izao. Voalaza fa mahazo vola manodidina ny 400.000 ariary hatramin’ny 1.000.000 ariary arakaraka ny vola alohan’ireo mpanjifa any ivelany. Tamin’ny fisavana ny tranon’ity vazaha ity dia mbola tratra tao aminy teo am-panaovana ireo fihetsika manaitaitra ireo mpanjifany amin’ny alalan’ireo fitaovana samy hafa izy roa vavy ireto.
Mbola voarara eto amintsika ny fihetsika mamohafady tahaka izao; ka tsy maintsy noraisina ny fanampahan-kevitra hoy ny kaomisera Gerverin Raelison izay miandraikitra ny polisy misahana ny heloka be vava, sy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona ary ny polisy siantifika.
Natolotra ny fampanoavana omaly tolakandro ny raharaha, efa nanao fangatahana ny fandroahana ity tera-tany vazaha ity eto Madagasikara ihany koa ny polisy misahana ny vahiny sy ny sisin-tany; satria tsy vitany nanao heloka be vava izy no mbola lany fetr’andro ipetrahana eto Toamasina ihany koa.
Malala Didier



