Efa mandeha tsikelikely ny fanadihadiana amin’izao fotoana na dia tsy nisy hatrany aza ny taratasy fitarainana nataon’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny tato ho ato. Raha ny feo mandeha mahakasika ny kidnapping dia vehivavy no ahiana ho atidoha mikotrika an’izany ao Toamasina. « Izy io dia vehivavy tsimatimanota mihitsy. Vao haingana aza izy no nidoboka am-ponja tany an-drenivohitra tany, saingy vetivety foana dia efa miriaria erak’i Toamasina indray », hoy ny vaovao akaiky ny mpanao fanadihadiana. Ankehitriny dia efa mandeha indray ny feo fa mety ho izy no heverina ho ao ambadik’ireny fakàna an-keriny misesisesy ireny. Teratany indopakistanais hatrany no lasibatra tamin’izany. Marobe ny manam-pahefana ao an-damosin’io vehivavy io ka izany no maha-tsimatimanota azy, hoy indray ny loharanom-baovao hafa. Mahakasika ilay fakàna an-keriny farany teo dia fantatra fa mbola tsy tafavoaka ilay karàna hatramin’ny omaly. Nangina tanteraka ny fianakaviany ary torak’izany ihany koa ny avy eo amin’ny mpitandro ny filaminana, izay tsy misy ambara noho ny tsy fisian’ny taratasy fitarainana. Raha tsiahivina anefa dia mararin’ny diabeta io olona io ary mila “insuline” matetika. Andrasana hatrany ny fivoaran’ny raharaha.
D.R