- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Very indray ny taribia 500m an’ny Jirama

Toamasina : Very indray ny taribia 500m an’ny Jirama

Tsy mbola hita ireo andian’olona nahavita nangalatra ny tarobia na herinaratra mirefy 120m mampitohy ny tobim-pamokaran’ny Jirama ao Volobe Toamasina II sy Toamasina Betainaomby farany teo, izay efa noezahan’ny Jirama Toamasina naverina haingana niala amin’ny fidirana amin’ny delestazy, dia ny alakamisy 21 jona alina nifoha ny zoma 22 jona teo very indray ny tarobia mirefy manodidina ny 500m, saingy aty amin’ny faritra miditra ny Tanandava indray no nanaovan’ireo andian’olona ny halatra. Voatery niaina haizina nandritra ny ora iray indray ny tananan’i Toamasina manontolo vokatra izany, saingy nanao ezaka ny Jirama ny namerina izany sy tsy nampisy ny delestazy teto Toamasina nandritra izany. Ny alakamisy alina nifoha ny zoma io ihany dia efa raikitra ny fikarohana ireo andian-jiolahy mety nahavanona izao nataon’ny Jirama sy ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy hita izy ireo noho ilay toerana kirihitra ala sy maizina na nisy olona iray nampiahiahy azy ireo voasambotra nandritra izany, izay mihatrika ny fakana am-bavany azy ankehitriny hamantarana ny tena marina. “Tena halatra tsotra, sa ankasomparana ny zava-misy?” Izay no fanontaniana amin’ny ekipan’ny talen’ny Jirama Toto Jean de Dieu ankehitriny; na tsy mbola voavaly aza ny fanontaniana alohan’ny fahatrarana ireo andian-jiolahy mpangalatra ny taribin’ny Jirama vitan’ny Viraty (Alluminium) ireo, satria raha ny zava-nisy dia nitovy tamin’ilay fomba nanaovana ny halatra teo aloha ihany ny nitranga tamin’ity halatra faharoa ity. Ny zoma teo ihany, dia niezaka namerina ny taribia very ny teknisian’ny Jirama. Manao antso vonjy amin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny andrimasom-pokonolona Atoa Toto Jean de Dieu hanampy azy ireo amin’izao firongatry ny halatra taribia na herinaratra Viraty ireo, satria raha hitohy izao, dia tsy haharaka ny tarobia misy eo amin’izy ireo hanoloana ny very, ny fetim-pirenena raha teo ho avy izay hisian’ireo hetsika sy fety samy hafa natao ho an’ny Malagasy rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici