Ny talata tamin’ny herinandro nivalona iny no niala tany Antsirabe Ingahy Rene sy ny fianakaviany, nihazo an’i Toamasina, ka tonga tany an-toerana ny alarobia. Nikasa hividy ity fiara “sprinter” efa nifampitana sary tamin’ny alalan’ny tambajotram-pifandraisana teo amin’ireo mpividy sy ilay milaza fa mpivarotra ilay fiara; ka natao ny fotoana sy ny fihaonana hijerena ilay fiara hovidiana.
Vao tonga ireto mpividy ilay fiara avy any Antsirabe, dia teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny “le Flamboyant” no nomen’ilay milaza ho mpivarotra fotoana izy ireo. Teo dia efa nandeha ny fanontaniana rehetra avy amin’ity mpivarotra mikasika ny vola vidin’ilay fiara “Sprinter”, raha mbola miasa loha amin’izay mety ho endriky ny fiara hovidiany ireto mpividy izany. Nanomboka teo ny fandrirarina amin’ilay fiara hovidiana na efa vonona tamin’ireto hividy ny vola 24 tapitrisa ariary nifanarahana hatrany am-boalohany. Ilay milaza ho mpivarotra anefa amin’io mitady hevitra rehetra hisolokiana ireto olona hividy ilay fiara, ka nitondra azy ireo nitety tanàna tamin’ny fiara aloha.
Teo no nitsiry ny heviny nitondra azy ireo tao nividy “yaourts” sy ranomboakazo tamina tranom-barotra lehibe iray tao Toamasina. Vita izay dia nomen’ireto mpividy ireo zavatra novidiany, niampy ity mofo mamy efa vonona tao anatin’ilay fiara nentiny nitondrany ireto mpividy fiara izy ireo. Raha ny fanazavan’ireto olona ireto dia nanomboka teo no niova ho hafahafa izy ireo, ny hany tsaroan’izy ireo dia ny tsiron’ilay mofomamy toa masika farany, sy izy ireo nampidirin’ilay mpivarotra fiara tamina hotely iray tao bazary kely, “Nouvelle Hotel”, araka ny fanazavana, ka vao nahazo efitrano fandriana dia tsy nisy nahatsiaro tena intsony izy telo mianadahy mpividy fiara.
Lasan’ilay olona milaza ho mpivarotra fiara izany ny vola 24 tapitrisa ariary sy ny findain’izy ireo, teo koa ny firaisana tsikombakomba teo amin’ny mpandray vahinin’ilay “hotel” sy ilay milaza ho mpivarotra, satria izy ireo no nampiditra azy ireo tao amin’ny efitrano tsy nahatsiarovan’izy telo mianady tena intsony. Teny amin’ny hopitaly vao tonga saina izy telo mianadahy ireto fa tratry ny fisolokiana avo lenta sy ao anatina tambajotra tsara rafitra. Tamin’ny fotoana niresahana tamin’izy ireo tonga mametraka fitarainana teo anivon’ny polisy, dia mbola hita taratra ny fanapoizinana nahazo azy ireo, na izany efa miverina tsikelikely ny fitadiadian’izy telo mianadahy.
Ankoatra izany, dia tsy sambany ny tranga tahaka izao amin’ny fotoanan’ny lavanty mandeha eo anivon’ny seranan-tsambo. Misy hatrany ireo milaza ho “inspektera”n’ny ladoany manapoizina olona tahaka izao. Tranga voalohany ity niseho ny herinandro nivalona ity, fa ny taona lasa dia tranga efatra no nisy mikasika toe-javatra tahaka izao, ary tambajotra goavana sy efa tsara rafitra ireto mpisoloky aminy.
Malala Didier