- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Voaendaka ary naratra mafy ny sekretera jeneralin’ny Faritra teo aloha

Toamasina : Voaendaka ary naratra mafy ny sekretera jeneralin’ny Faritra teo aloha

Betsaka izay tratran’ny polisy teo am-panendahana sy mpanakan-dalana izay, saingy mbola betsaka koa ireo tanora tafaroboka ao anatin’izany mampihorohoro ny mpiara-monina sy ny vahoaka.

Ny sabotsy teo andro vao maraina fivoahan’ny olona ny tranony, tokony tamin’ny 08ora maraina, dia nendahin’ity tanora izay efa zatra miditra am-ponja noho io fanendahana sy fanakanan-dalana io , ny sekretera jeneralin’ny Faritra Atsinanana teo aloha. Naratra mafy noho ny daroka sy ny tsindrona antsy nataon’ity mpanendaka, ity adminisitratera sivily ity. Vao nahazo antso tamin’ny fisian’izany ny polisy dia nanao ny asany avy hatrany, ka tsy lavitra teo amin’ny toerana nitrangan’ny fanendahana tao Tanambao V, dia saron’ny polisy ilay jiolahy sy ny fitaovana nampiasainy. Raha araka ny fanazavan’ny mpiara-monina aminy vao 12 taona dia efa nanao izao asa fanendahana izao ity tovolahy ity, ary nanomboka teo hatramin’izao dia ny fonja sy fahafahana tsy ela dia mamerin-keloka no androm-piainany.

Ankilan’izay, dia sarona teo am-panendahana tao Bazary kely sy Tanambao V, ny zoma ny roa, sy ny sabotsy teo ny iray, ireto tovolahy telo izay isany vao nahavita sazy ny taona nivalona teo ihany koa. Mbola tratra teny amin’izy ireo, ny antsy fampiasan’izy amin’ny fanendahana fanaony, izay tsy nahafahan’izy ireo nandà intsony ny heloka vitany sy ny asa fanendahana mpiantsena fanaony.

Omaly, no niakatra fampanoavana izy telo lahy ireto, noho izy ireo efa mpamerin-keloka avy hatrany dia nandrasain’ny fitsarana fampidirana am-ponja vonjimaika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici