- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Voasambotra i « Fano » lehiben’ny mpanafika ny “Accès banque”

Toamasina : Voasambotra i « Fano » lehiben’ny mpanafika ny “Accès banque”

Taorian’ny fahazoam-baovao teo amin’ny polisy teto Toamasina, momba ireo andian-jiolahy efa nifampitadiavana tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona, dia soasambotra ny talata teo, raha ela nitsoahana ingahy isany Randrianantenaina Kevin na i “Vazaha” 25 taona, sy Rafanomezantsoa Berthin na i “Fano” 30 taona.

Raha momba an’i “Vazaha” aloha dia isany tena nampiaiky ny mpitandro filaminana taminy a ny famakiana trano sy magazay ary ny fanendahana tena hainy sy fanaony miaraka amin’ireo ekipany. Isan’izany ilay fanendahana polisy namonjy fodiana, ny 04 marsa 2018 nahavery môtô RS, ka ny namany antsoina hoe ‘Bonbonne” maty voatifitra, ny iray kosa niaraka taminy afa-nandositra tamin’izay fotoana izay. I “Vazaha” ihany koa no namono nahafaty ilay tera-tany vazaha frantsay antsoina hoe “Patrick Laborde” tao Tanamakoa; izay niarahany tamin’ny namany efa-dahy tamin’izay. Efa in-3 voasambotry ny fokonolona , sy ny polisy ity “Vazaha” na Kevin ity, ny taona  lasa, saingy tafatsoaka hatrany aorian’izay ka izao izy tratran’ ny polisin’ny FIP fahefatra izao indray.

Raha ny momba an’i “Fano” kosa dia ny  fanafihana mitam-piadiana no tena angadiny sy tena hainy, ka saika nahitana ny Dian-tanany avokoa ireo fanafihana nitranga ny taona nivalona nahery vaika teto Toamasina ireny. Isan’izany ny fanafihana ilay tranombarotra mpamongady Toaka tao Anjoma, ny 31 desambra  2018 nahaverezana vola tsy latsaky ny 50 tapitrisa ariary, ny magazay mpamongady Toaka sy zava-pisotro samihafa tao Tanambao V atao hoe “Fortuna” nahaverezana vola 10 tapitrisa ariary, ny “Accès Banque” tao Bazary kely ny 08 marsa 2019 izay nahazoan’izy ireo vola kitapo iray, ny mpivarotra lasopy tao Tanamborizano nahaverezana moto RS iray sy ny volamaty nandritra andro iray,…ary ilay mpivarotra kojakojan-tao-trano tao Vohitsara sy Tanambao V.

Tratra niaraka tamin’i “Fano” izao koa ny Basy PA vita gasy fampiasany amin’ny fanafihana ataony. Efa voasambotra ny 08 Mai 2019 tao ireo naman’i “Fano” niisa 8; izay efa samy miandry ny fitsarana ady heloka be vava avokoa ao am-ponjan’ Ambalatavoahangy amin’izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici