- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-Divers« Toamasina » : Voasazy dimy taona sazy mihantona i Kamy

« Toamasina » : Voasazy dimy taona sazy mihantona i Kamy

Omaly no nivoaka ny didim-pitsaràna ady heloka tsotra mahakasika an’i Mickaelys Kamy Ndiamahazo. Io farany izay sady mpanao gazety no mpisintona lakolosy fanairana eny amin’ny tambajotra sosialy. Dimy taona sazy mihantona ary tsy nisy lamandy. Sazy izay mazava loatra fa entina hampitandremana ny voakasika mba tsy hitabataba na handefa zavatra mety mahakasika ny hafa amin’ny tambajotra sosialy intsony. Dia inona intsony moa izany ny maha-mpanao gazety sy mpisintona lakolosy fanairana azy raha misy ity sabatra mihantona eo amin’ny tendany (épée de Damoclès) ity, ary mandritra ny fotoana maharitra? Amin’ny tranga toy izao mantsy, raha sendra misy mitory fotsiny izany ny voakasika mandritr ilay fotoanan’ny sazy mihantona dia efa ratsy ho azy ny mety ho raharaham-pitsaràna. Amin’ity tranga ity dia mbola mandinika ny mpiaro azy na hampiakatra fitsaràna ambony na tsia. Raha tsiahivina dia andàlana iray « Mifohaza Toamasina » tao amin’ny fizaram-baovao nataony tamin’ny tambajotra sosialy no nanenjehan’ny zandary azy ho mpanohintohina ny filaminana anatiny. Efa nandeha ny fitsaràna ady heloka tsotra vao nipoitra ny solontenan’ny mpitory. Isan’ny mpisintona lakolosy fanairana izay tena arahin’ny olona (40.000 ny mpanaraka azy amin’ny tambajotra sosialy) i Kamy ary izy dia tsy misangy mamoaka vaovao misy porofo, ary matetika olom-panjakana no voakasika. Arakaa izany koa ny tohin’ny nahazo azy. Mila hiverenana dinihin’ny parlemanta ny lalàna mahakasika ny cybercriminalité, satria manohintohina loatra ny fahalalahana miteny amin’ny tambajotra, indrindra ho an’ny mpizara vaovao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici