Vao avy niasa tara fodiana iny ity raim-pianakaviany ity no notsenainy ny vadiny tamin’ny ady ka raikitra ny fanopasana rano mangotraka tamin’ilay rangahy tsy nanampo na inona na inona. Nitsovaka tanteraka ny loha, ny kibo, ny Tanàna an’ilay rangahy vokatra izany. Voatery nitory teny amin’ny mpitandro filaminana ilay rangahy, ka ny tapaka dia niakatra fampanoavana ny raharaha ny alatsinay 07 desambra teo, ka famonjana vonjy maika am-ponja no azon’ilay ramatoa vadiny, Rtoa Razafindralosa 40 taona, nanopaka ilay rano mangotraka. Raha ny fanazavana dia ny sabotsy teo no nitranga ilay raharaha tao Mangarivotra atsimo P/elle 11/53; efa nomanin’ilay ramatoa mihitsy ilay rano mangotraka satria hitan’ilay rangahy ny vadiny manokona tao an-dakozia, ka vao raikitra ny fanontaniana tamin’ilay rangahy izay nanao valy boraingina tsy taitra, ka avy hatrany dia nobatainy ilay rano ka natopany tamin’ilay rangahy variana. Voalaza moa fa resaka fahasarotam-piaro no antony, nefa taorian’ny fitsarana izay nampiditra an-dramatoa am-ponja vonjy maika, dia nilaza ilay rangahy fa “tsy hiaraka aminy intsony, satria izao aza vitany ny manopaka rano mangotraka ka aorian’izany tsy ho pozina ny homeny ahy satria izy no mpahandrono ao an-trano.”. Natao avokoa ny fifandaminana teo amin’izy roa ireto, fa tena tapa-kevitra ny hisaraka aminy ilay rangahy, na efa nifona mafy ny tsy hisarahan’izy ireo aza ilay ramatoa nahavon-doza.
Malala Didier