- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Vono olona roa - Tsy mbola tratra ireo tompo-marika taminy

Toamasina : Vono olona roa – Tsy mbola tratra ireo tompo-marika taminy

Isan’ny tranga nampivarahontsana ka nahatonga ny vahoaka lasa mitaintain-dava ny tranga vono olona nifanesy niseho teto Toamasina, ny volana aogositra iny; izay tsy mbola nahitam-baliny  hatramin’izao na teo aza ireo voarohirohy efa nohenoin’ny mpitandro ny filaminana.

Voalohany tamin’izany ilay tranga na vono olona nahazo ilay mpamily “tuc-tuc” noho ny fangalarana ny moteran’ny “tuc-tuc” fitondrany. Nahatsiravina ity vono olona ity izay nahitana lavaka hatramin’ny lohany ankoatra ireo vatany feno dian’antsy marobe. Tao Tanandava no nahitana ny fatiny sy ilay “tuc-tuc” nentiny tamin’izay fotoana izany, izay tsy nahitana motera intsony. Voalaza fa, efa nisy olona  fito nosamborina nikasika ity raharaha ity, saingy ilay tompo-marika tamin’ny vono olona sy nangalatra ilay motera mbola karohina hatramin’izao.

Ny Faharoa dia ilay tranga niseho teo akaikin’ny tetezana Mangarivotra – Ambolomadinika tsy lavitra ny paositra malagasy. Izay nitifiran’ireo jiolahy ity tovovavy 30 taona teo amin’ny vavany noho ny resaka vola 2 tapitrisa ariary avy nalaina tamina banky. Tsy naninona kosa ilay tera-tany karana niara-dia taminy izay tompon’ny vola. Hatreto dia mbola miriorio any ireo andian-jiolahy. Ankoatra izay, dia ity voafonja tafatsoaka ny fonja niaraka tamin’ny rojo vy namatorana azy noho ny sazy nahazo azy nidina tao anaty efitrano manokana. Tsy mbola  tratra ihany koa izy io hatramin’izao na efa mikaroka azy aza ny mpandraharaha ny fonja.

Toky efa nataon’ireo mpitandro  filaminana ny fametrahana ny filaminam-bahoaka, sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Andrasana izany izay ho valin’ireo tranga na vono olona feno habibiana ireo, tahaka ny natao tamin’ny vono olona tany Sainte-Marie nanaovana hetsika manokana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici