Ny talata teo tokony tamin’ny 02 ora tolakandro dia nahazo vaovao tamin’ireo olona tsara sitra-po tao amin’ny tanana antsoina hoe Vohimbendrana, ao amin’ny kaominin’Ambodiantafana, amin’ny lalam-pirenena faha-05 iny, ny zandary misahana ny fikarohana ara-keloka bevava eto Toamasina fa misy olona mitady mpividy taolam-paty ao amin’ny tananan’izy ireo. Vao naharay izany ny zandary misahana ny heloka bevava eto Toamasina, notarihan’ny “chef d’éscadron” Rajaohasina Delson Adrien, dia nijery ny zava-nisy avy hatrany ary nanao fihetsika ho mpividy taolam-paty. Sarona ambodiomby tokony tamin’ny 05 ora hariva, ny talata io ihany tamin’izany, ireto olona enina mianaka niaraka tamin’ireo taolam-paty telo gony izay nafangorin’izy ireo tamina gony na saribao miisa efatra. Raha natao ny fisavana dia niisa 301 ireo taolam-paty ireto izay niisa 84 ny gony voalohany, 104 ny gony faharoa, ary 113 ny gony fahatelo, izay samy taolan-dava avokoa ary nalaina tamin’ireo fasana manodidina an’i Vohimbendrana avokoa. Tamin’ireo olona enina mianaka voasambotra dia ny telo tamin’izy ireo no mpanera mpitady mpividy, izay mponina avy any Mahanoro. Ny roa kosa no tompon’ny taolam-paty, ary ny iray mpiray tsikombakomba izay mbola tsy ampy taona ary milaza ho zanaka ben’ny tanana iray ao Toamasina II, izay tsy nolazainy hoe iza io rainy ben’ny Tanana io. Nambaran’i C.E Rajaohasina Delson Adrien misahana ny heloka bevava eto Toamasina, fa samy tsy afa-nandà ny heloka vitany izy enina mianaka tratra ireto, ary tsara ho fantatra ihany koa fa tena heloka bevava eo anivon’ny fiaraha-monina izao zava-bitan’izy enina mianaka ireto izao, nefa anjaran’ny fitsarana ny mijery ny fanamelohana azy ireo raha vita ka elafenay eny amin’izy ireo ny antontan-taratasin’ady mikasika izao vaky fasana sy halatra taolam-paty tao Vohimbendrana izao. Mbola mitohy anefa ny fanadihadiana lalina amin’ireo mety ho mpiray tendro sy mpiray tsikombakomba amin’izy ireo amin’izao resaka taolam-paty izao…
Malala Didier