Fety ao anatin’ny filaminam-bahoaka no tanjona teo amin’ny mpitandro ny filaminana teto Taomasina tao anatin’ny fanomanana sy ny fetin’ny krismasy 2019. Amin’ny ankapobeny aloha dia nilamina ny fanomanana sy ny fankalazan’ny fianakaviana maro izany, saingy teo ihany koa ireo jiolahy nitifitra olona tao anatiny. Ny alatsinainy 23 desambra alina nifoha ny talata 24 desambra teo tokony tamin’ny 01ora maraina raha tao anatin’ny sakoroka nifanehitra tamina andian-jiolahy tao Mangarivotra ireo mpanao fisafoahana zandary dia zandary iray no voatifitra teo amin’ny feny, izay tao anatin’ny haizina ihany koa no nisehoana ny tranga rehetra. Noho ny hamafin’ny fahavoazana izay misy fiantraikany amin’ny taolanam-pen’ilay zandary ny tifitra nahazo azy dia voatery nalefa ho tsaboina ao Antananarivo ilay zandary amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nahazoam-baovao kosa ny teo anivon’ny zandary Toamasina mikasika ity raharaha nahavoatifitra ny olombelony am-perinasa ity hatreto. Ankoatra izany dia mpivarotra iray hamonjy fodiana hariva tsy lavitra ny tobin’ny polisy Bazary kely, niaraka tamina vola 03 tapitrisa ariary vola maty tamin’ny varotra nataony, no notafihana andian-jiolahy nitondra « moto scooter ». Voatifitra teo amin’ny tratrany sy ny sandriny ity rangahy 44 taona mpivarotra ity ; tamin’ny 07ora hariva teo no voatifitra izy saingy tamin’ny 07ora sy 25min ny fahatongavany teny amin’ny hopitaly be ary ny alina nahatongavany ihany dia niditra fandidiana ny tenany noho ny fahavoazana be teo amin’ny tratrany vokatra ity tifitra nahazo azy ity. Efa tsy mampanahy ny ain’ity mpivarotra ity amin’izao hoy ireo mpitsabo ny hopitaly be na mafy ihany ny tifitra nahazo azy.
Malala Didier