- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Zandary nanakorontana fetim-pianakaviana, saika matin’ny olona

Toamasina : Zandary nanakorontana fetim-pianakaviana, saika matin’ny olona

Mbola fanaovan’ny fianakaviana fety ao anatin’ny fankalazana ny taona vaovao izao. Nanao izany ity fianakaviana iray monina ao Analakininina hopitaly be ity, ny alahady tontolon’ny andro teo. Nandritra izany dia nasain’izy ireo niatrika ny lanonana ireo mpanofatrano rehetra, ka isan’izany ity zandary iray ity sy ny fianakaviany. Nilamina tsara ny resaka sy ny lanonana tany am-boalohany, saingy raha nanomboka niakatra ny rano mahery, dia nivadika ho sakoroka izany. Teo am-boalohany dia nanao fanamiana toy ny rehetra ilay zandary, rehefa niakatra anefa ny hamamoany dia niova akanjo fitondra miady ilay zandary, ka efa nanomboka mahana sy manahy zavatra hafa ny niatrika ny lanonana. Tampoka teo dia nahazo totohondry ity tovolahy iray izay nendrikendrehan’ity zandary fa misarizoro amin’ny vadiny. Nanakana azy koa ity ramatoa iray dia nahazo totohondry ihany koa, ary raha nanavotra ny reniny ity zazalahy iray hafa dia nahazo ny anjarany koa. Teo no nanomboka ny sakoroka ka lasa nanaovan’ireto fianakaviana ireto tambam-be ity zandary nasaina nefa nanakorontana ny fetin’izy ireo ary mbola nandratra sy nahatorana olona ihany, ka isan’izany ny vadin’ilay zandary. Tratran’ny be noho ny vitsy anefa ity zandary, dia nandositra ka nitsofoka tao amin’ity mpanao gazety iray monina ao Analakinina hopitaly be. Ity farany no niezaka ny niaro azy tamin’ny hatezeran’ireto fianakaviana nandrahona ny handoro trano mihitsy raha tsy mivoaka ity zandary nanakorontana sy nandratra olona ity. Nilamina ihany ny raharaha raha nisy ny fifandaminana nataon’ity mpanao gazety; izay niezaka niantso ny lehibeny. Raha ny zava-nisy izany, raha tsy nisy ity mpanao gazety ity, dia matin’ny fitsaram-bahoaka ity zandary ity.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici