- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Zandary nosamborina fa namaky trano

Toamasina : Zandary nosamborina fa namaky trano

Kilasy faharoa ny galona entiny. Nahitàna basy lava sy rongony teny aminy tamin’ny fotoana nisamboran’ny mpitandro ny filaminana azy. Ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Nisy nahatsikaritra ny famakiana trano izay nataony. Natao ny fampiantsoana ny mpitandro ny filaminana ary dia voamarina tokoa ny tetid-ratsin’ilay zandary. Tezitra ny olona ary saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha, soa ihany fa ny mpitandro ny filaminana no naka azy. Milanja 100 girama ny zava-mahadomelina izay mbol teny aminy. Ankoatra ny sazy anatiny rehefa handalo filankevi-pifehezana dia mbola hatolotra ny fampanoavana ary hotsaraina aorian’izay ity mpitandro ny filaminana ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici