- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Zaza very, noheverina ho mpangalatra, matin’ny daroka

Toamasina : Zaza very, noheverina ho mpangalatra, matin’ny daroka

Zava-doza mampalahelo indray no nitranga tany Toamasina, ny alin’ny 14 aogositra hifoha 15 aogositra lasa teo. Zazalahy kely mananika ny faha- 10 taonany monja no maty novonoin’ny fokonolona tao Analankinina, fokontany Hopitaly Be any Toamasina. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny tena antony namonoana io zazalahy io, fa raha ny feo mandeha dia voalaza fa nahiahiana ho mpangalatra ity farany, satria tafiditra tanaty tokotanin’olona iray any an-toerana tamin’ny andro maizina, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, olona izay tsy mahafantatra azy akory. Tezitra noho izany ireo mpiambina ka nidaroka avy hatrany ity zaza ity. Voa mafy tokoa ity farany ka izao nitarika ny fahafatesany izao. Anisan’ny nampirongatra ny fiahiahian’ny olona an’ity zaza ity ny tsy nanaovany akanjo ambony ka nampihevitra azy ireo fa olon-dratsy io zaza io. Fantatra anefa, fa zaza avy any ambanivolo izy io  ary tonga alina tao amin’ny renivohitr’i Toamasina, saingy tsy nahatadidy ny lalàna mankany amin’ireo havany ireo noho ny andro maizina ka nahavery azy tamin’ny fitadiavana ny tranon’izy ireo. Trano teo anilan’io trano nidirany io no tokony ho nisy azy saingy tsy tadidiny. Ny mpiambina ny fiangonana izay nahita ny zava-niseho teo akaiky teo no nitondra ilay zaza tany amin’ny hopitaly haingana, saingy tsy tàna intsony ny ainy. Hatreto, mbola tsy nisy ny nametraka fitoriana na teny amin’ny polisy na teny amin’ny zandary. Mbola mitady izay havany araka izany ireo zandary avy ao amin’ny kaompania Toamasina hanokafana ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha namonoana zaza ity. Efa eo am-pelatànan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ary fantatra, fa tsy maintsy sokafana ny famotorana satria vono olona ny resaka eto, ka anjaran’ny Fitsarana irery ihany no mamaritra ny fahafahan’ireo namono na tsia. Mbola mitady ny mombamomba ilay zaza izy ireo araka izany ary eo am-pikarohana ihany koa ireo nahavanon-doza. Andrasana araka izany izay ho vokany.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici