- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Zazakely 3 volana maty nozaraina roa

Toamasina : Zazakely 3 volana maty nozaraina roa

Habibiana tsy roa aman-tany ! Zazakely iray, mbola amam-bolana no hitan’ny fokonolona faty omaly maraina tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao, raha ny marimarina kokoa tao amin’ny fokontany Depôt Analankinina, omaly vao maraim-be. Tapaka sa notapahana roa ity zazakely ity ka ny tapany ambony ho hitan’ny fokonolona, tsy tazana teny amin’ny toerana nisy azy kosa ny tapany ambany. Hatairana tsy misy toa izany ny an’ireo mpivarotra saika handeha haka mofo vao maraina, tokony ho tamin’ny 5ora maraina teo ho eo, raha nahita izy tranga mahatsiravina ity. Tapaka vatana mangatsiakana zazakely no niampatra teo ambony fasika. Araka ny fanazavana azo amin’ireo mpitandro filaminana nanao, tonga avy hatrany teny an-toerana, nanao ny fanadihadiana dia mbola tsy fantatra mihitsy hatreto aloha izay tena nampiharina tamin’izy zaza ity. Tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo mantsy, dia fantatra fa tsy avy amin’ilay fokontany io zaza io, na izay mety ho ray aman-dreniny. Tsy misy mponina teo amin’ilay fokontany no very na maty zanaka kely, araka ny fanazavana azo hatrany. Vinavinaina araka izany ho olona tany amin’ny fokontany hafa no nanipy ity tapaka zazakely ity teo an-toerana. Ny fampitam-baovao tany an-toerana ihany koa no nahafantarana, fa tsy vao tamin’io fotoana io akory no nisy nanipy fatin-jazakely teo amin’ilay fokontany. Efa nisy tany aloha ary olon-kafa avy amina fokontany hafa no nanao izany. Hatreto aloha dia mandeha avokoa ny vinavina rehetra mikasika ny nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Araka ny siosion-dresaka mandeha, dia toa hoe mpivady niady sy nisaraka no ray aman-drenin’ity zaza ity, ka nozarain’ireo tsy vanona hatramin’ny zazakely. Dia efa tena biby toetra tokoa raha izany no tena marina. Raha ny fizahana ny razana teny an-toerana mantsy, araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana hatrany dia toa nifampisotonana izany no antony nahatapaka ny vatan’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Antony iray, nahatonga ilay feo hoe adin’ny mpivady, ka nifampizarana hatramin’ny zaza ! Tsy nahitana diana zava-maranitra nanapahana azy mantsy ny razana, tsy azo eritreretina ihany koa ny hoe mety ho voahitsaky ny lamasinina na fiara, raha tsy izany mantsy, raha ny fanazavana hatrany dia tsy maintsy hita tsy lavitra teo ny tapany, izay mbola tsy hita hatramin’izany. Efa mandeha amin’izao fotoana izao no fanadihadiana sy ny fikarohana ireo ray aman-dreniny, na ihany koa izay olona nahavanon-doza nahavita izao habibiana mahatsiravina tsy takatry ny sain’olombelona izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser