Simba tanteraka ilay zazalahy 12 taona raha nozahana teny amin’ny mpitsabo ny ivon-toerana Vonjy izay misahana ireo zaza tratry ny fanolanana eny amin’ny hopitaly be. Raha natao ny fanadihadiana dia tovolahy roa zanaka mpandraharahan’ ny fonja iray sekoly aminy ihany no nahavanona izany izay matetika ny fanaovan’izy roa lahy izany; raha nandritra ny iray volana norahonana ho faty ilay zazalahy raha milaza ny marina ny nanjo azy.
Raha ny angom-baovao “marim-pototra” nambaran’ilay zazalahy sy ny ray aman-dreniny, dia nanomboka ny 20 may no nanaovan’izy roa lahy ireto ny fanolanana ilay zazalahy, ka izany trano tsy misy mipetraka ao amin’ny “Cité Canada” izany no fanaovan’izy ireo azy. Tsenain’izy roa lahy eo am-bavahadin’ny sekoly ilay zazalahy mandeha mianatra ka entin’izy ireo an-keriny, raha tsy manaiky manaraka dia rahonan’izy ireo hovonoina avy hatrany. Izy roa lahy moa efa tsy mianatra rahateo na iray sekoly ao amin’ity sekoly tsy miankina ara-pinoana ity izy ireo. Mifandimby manolana an’ilay zazalahy izy roa lahy, ka mandritran’ izy roa lahy ireto miaraka indray no fotoana itsoahan’ilay zazalahy mamonjy fodiana. Ny fitarainany noho ny fitombenany sy ny kibony maharary ny 17 jona no nanaitra ireo ray aman-dreniny, ka raha nozahana tany amin’ny mpitsabo dia izao fahasimbana tanteraka izao no hita sy voamarin’ny mpitsabo. Nametraka fitoriana teo anivon’ny ivon-toerana Vonjy ny hopitaly be ny 18 jona ny ray aman-drenin’ilay zazalahy, nefa noho ny fetim-pirenena, dia ny 27 jona vao nanatitra izany teny anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny polisy misahana ny heloka be vava, ny teo anivon’ny ivon-toerana Vonjy. Ny 01 jolay teo no nosamborina izy roa lahy mpihavana ireto, ka omaly talata 02 jolay no niakatra teo anivon’ny fampanoavana sy mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha. Nandritra ity fiakarana fitsarana ity, dia nolazain’izy roa lahy indray fa ilay zazalahy 12 taona no mpampirevy azy ireo, sy mampirisika azy ireo nanao izao fiarahan’izy ireo izao, fa tsy misy fanolanana izany.
Malala Didier